PolitikaSongadim-baovaoSosialyToekarena
FANAMBOARANA NY LALAM-PIRENENA FAHA-6: Tsy kobaka am-bava intsony fa asa avy hatrany
Nigadona tao Antsiranana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, sy ny delegasiona maro avy amin’ny Fanjakana foibe omaly 10 septambra 2021, nametraka ny vato fototra hanombohana amin'ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena fahenina mampitohy an'Ambanja sy Antsiranana.
Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay ,dia anisan’ny nampikaikaika ny vahoaka ny faharatsian’ny lalam-pirenena fahenina manomboka eo Ambanja, mandalo an’Ambilobe ary mipaka hatrany Antsiranana. Lalana mirefy manodidina ny 233km eo ho eo io elanelana io, saingy efa atao ao anatin’ny iray andro maninjitra ankehitriny, noho ny haratsian’ny lalana. Fanamby efa napetraky ny Fitondram-panjakana, araka izany, ny hanamboarana ity lalam-pirenena fahenina ity izay mampifandray ny tapany avaratry ny Nosy, amin’ny Faritra hafa eto Madagasikara. Olona sy entana ary vokatra maro tokoa no mifamezivezy isan’andro amin’ity lalam-pirenena ity, ary laharam-pahamehana ny fahavitany satria sehatr’asa maro no hahazo tombony amin’ny fanamboarana izany, dia ny lafiny toekarena, sosialy satria hamorona asa ho an’ny mponina manodidina, ary hampiroborobo indray ny sehatry ny fizahantany sy ny fitaterana. Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina tao anatin’ny kabariny fa na dia maro aza ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara dia sakana tsy handehanany any amin’ny tapany Avaratra ny haratsian’ny lalana, ka ilàna fanamboarana.
115 tapitrisa dolara vola fanomezana
Araka ny fanazavan’ny Filoha dia ho atao tara iray manontolo io lalana mirefy 233 km io. Manoloana izany, nitodika manokana tamin’ireo orinasa voafantina hanatanteraka ny asa ny Filoha Andry Rajoelina, izay ny orinasa Colas, mba hiasa tsara sy aingana ary mba fotodrafitrasa mendrika sy maharitra no hositrahan’ny vahoaka. Io tetikasa io izay haharitra 30 volana, araka ny tombatomban’ny teknisianina. Tsara ho fantatra fa mitentina 235 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola amin’ity tetikasa ity. Ka ny 115 tapitrisa dolara fanomezana avy amin’ny Vondrona Eoropeana ary ny 120 tapitrisa dolara famatsiam-bola avy amin’ny ny BEI. Noho izany indrindra no nahatonga ny Filoha hisaotra ny Vondrona Eoropeana sy ny BEI izay miara-miombona antoka amin’ny Fanjakana Malagasy amin’ny fanantanterahana ny tetikasa.
Dikany, tsy kobaka am-bava toy ny nataon’ireo mpitondra nifandimby teo aloha intsony ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahenina fa tena hotanterahana amin’izay. Nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, fa na ny fanatrehan’ny Solontena maharitry ny Vondrona Eoropeanina miasa sy monina eto amintsika ny fanombohan’ny asa fotsiny aza dia efa vavolombelona ny amin’ny fahazoana ny famatsiam-bola hanaovana ny asa. Tsara ho fantatra fa tonga tany an-toerana koa ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian sy Ramatoa vadiny, ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena avy amin’ny faritanin’Antsiranana Jocelyne Rahelihanta ary minisitra maromaro ao anatin’ny Governemanta. Isan’ireny ny minisitry ny Asa vaventy Jerry Hatrefidrazana. Ny Governoram-paritra Diana, Daodo Marisiky sy ireo mpiara-miasa aminy sy ny Ben’ny tanànan’Antsiranana ary ireo tomponandraikitra sivily sy miaramila ao Antsiranana.




