Songadim-baovaoSosialy

FANAMBOARANA NY LALAM-PIRENENA FAHEFATRA : Vita ny lalana eo anelanelan’i Maevatanana sy Ambondromamy

Vita tanteraka raha natomboka volana vitsivitsy izay ny fanamboarana ny lalana eo anelanelan’i Maevatanana sy Ambondromamy, eo amin’ny PK 371 + 900. Tonga nijery ny asa vita (réception provisoire) tamin’izany ny Minisitry ny Asa vaventy, Hatrefindrazana Jerry sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, mbamin’ireo teknisiana eo anivon’ny Minisitera. Asa fanarenana vonjimaika no natao tamin’izany, noho ny fihotsahan’ny ampahan’ny arabe, tamin’ny alalan’ny fanaovana rindrim-bato manana halava mirefy 70 m, ary haavo mirefy 04 m, miampy fanarenana sy fanaovana tara ny arabe. « Vita araka ny tokony ho izy ny asa tsy maintsy natao rehetra tamin’ny lalam-pirenena fahefatra. Asa izay nahafahana nanala tsikelikely ireo tena nampikaikaika ny mpampiasa lalana », hoy ny Minisitra tomponandraikitra.

Etsy ankilany, mizotra koa amin’izao fotoana ny asa fanarenana ny ampahan-dalana amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN6) mampitohy an’i Mampikony amin’i Port-Bergé sy Antsohihy, eo amin’ny PK 134 eo Tsarahasina, ary ny PK 160 eo Andribavontsona. Tonga tany an-toerana koa ny minisitra tomponandraikitra nijery ny fandrosoan’ny asa fanarenana ity ampahan-dalana ity. Fantatra amin’izao fotoana, fa efa ny ampahany betsaka amin’ny asa no efa vita, ary tsy ho ela dia ho vita tanteraka ny asa fanarenana rehetra. Nanome hafatra ho an’ny orinasa nandray an-tanana ny asa ny Minisitra, izay nilazany fa tokony hajaina hatrany ny kalitaon’ny asa, ary tokony hiara-hiasa amin’ny LNTPB ny orinasa eo amin’ny fitiliana sy fankatoavana ny tara ampiasaina amin’izany, mba hampaharitra ny fotodrafitrasa. Nanome toky kosa i Andriantsoa Avotra, avy amin’ny Orinasa ISO Construction, misahana ny fanamboarana ity ampahan-dalana ity fa tsy misy olana ny fanatanterahana ny asa hatreto, saingy ireo mponina any an-toerana no mila entanina hanova ireo kodiarana vy amin’ny sarety ho kodiarana hoditra. Ireny kodiarana vy ireny, hoy ity teknisianina ity, no anisan’ny maha simba vetivety ny lalam-pirenena.

Stan R sy LR.

Fermer