SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FANAMPIANA NY ANY ATSIMO: “Tsy misy distrika adino”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC

Mbola hifantohan’ny sain’ny mpanara-baovao ny fisian’ny kere sy ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny. Maro ireo toerana tena ianjadian’izany amin’izao fotoana izao. Misy amin’izy ireny anefa no adino amin’ny fanampiana, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra sasantsasany avy any atsimo. Omaly, namaly izany fanehoan-kevitra izany ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, izay nilaza fa tsy misy distrika adino an-toerana.

Tranga mateti-pitranga hatramin’izay rehefa misy fanangonana fanampiana tahaka ny atao amin’ireo mpiray tanindrazana any atsimo amin’izao, ny fanodinkodinana fanampiana, ary lasa tsy tonga any amin’ireo olona tena mila izany akory aza izany. Tamin’ny herinandro lasa teo iny, misy ireo tompon’andraikitra avy any amin’ireo toerana ianjadian’ny Kere any atsimo no nilaza fa tsy mba nisitraka ireo fanampiana avy amin’ny Fanjakana. Nandiso izany ny tale jeneralin’ny birao nasionaly mitantana ny loza voajanahary (BNGRC), ny Jeneraly Elack Olivier Andriankaja, izay nanipika mazava tsara fa tsy misy ny distrika na toerana adino any Atsimo amin’izao ady amin’ny Kere izao. Noho ny fandrindrana asa, hoy izy, dia mety tsy miaraka tonga ny fanampiana ireo distrika rehetra fa tsy midika izany fa adino. “Amin’izao tsika miteny izao, efa eo Ejeda ny fiaran’ny BNGRC mitondra sakafo 30 taonina mankany amin’ny distrikan’Ampanihy, ary hiainga tsy ho ela ihany koa ireo alefa any Beloha sy tsihombe”, hoy ny fanazavany. Hentitra ny Tale Jeneralin’ny BNGRC nilaza fa hamafisina ny fanarahamaso ireo fanampiana ireo mba ho tonga any amin’ireo tena mila izany avokoa. Ny fikambanan’ny relijiozy rahateo miara-misalahy amin’ny fizarana ny fanampiana. Notsindrian’ny tale jeneralin’ny BNGRC fa “ny hoe afapo zato isan-jato angamba no mety tsy misy, fa ny hoe adino tsy mitombina”. Niaiky ny tenany fa samy noana daholo ireo mpiray tanindrazana any atsimo saingy misy kosa ireo tsy maintsy kendrena manokana satria efa tena anaty hanoanana lalina.

Efa misy sakafo 90 taonina zaraina

Araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny BNGRC, izay vao tonga avy any Atsimo, dia Faritra telo, amin’izao fotoana izao, no tena voakasika amin’ny Kere. Ahitana an’Anosy, Androy, ary Atsimo Andrefana. Ho an’ny Faritra Anosy manokana, ao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo no tena voa mafy. Ho an’ny Faritra Androy, voakasika mafy ny distrikan’Ambovombe sy Tsihombe, ary Beloha. Ho an’ny faritra Atsimo Andrefana kosa, tena voakasika manokana ny distrikan’Ampanihy Andrefana. Hatramin’ny omaly, ao amin’ny Faritra Anosy no tena hita ho voa mafy indrindra, hoy ny fanazavana. Eo anatrehan’izany, manao tohivakana ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana, sy ireo mpiara-miombona antoka, ary ireo mpiray tanindrazana ho an’ireo any Atsimo. Amin’izao fotoana izao, efa misy ny bankin-tsakafon’I Madagasikara izay hiarahan’ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny BNGRC, miasa amin’ny PAM sy ny Lions Club. Hatramin’ny omaly, ho an’ny Faritra Anosy, ao amin’ny Distrikan’amboasary Atsimo, efa misy sakafo 90 taonina efa zaraina. Kaominina efatra no ezahana hisitraka ireo sakafo ireo, ahitana ny Kaominina Tanandava, Berano, Ifotaka, Tsivory. Ireo fanampiana ireo izay ahitana vary, voamaina, mangahazo, menaka. Eny andalana koa, efa misy sakafo 72 taonina sy 22,5 taonina mihazo ny tapany atsimon’ny Nosy, izay ahitana katsaka sy vary. Efa misy citerne 12 efa tonga any atsimo, raha toa ka 30 citerne no tanjona.

Raha tsiahivina, vao nivoaka kely ny fotoan’ny fihibohana isika teto Madagasikara no nanao sesilany ny antso fanampiana tolo-tanana ho an’ny mpiray tanindrazana iharan’ny Kere any Atsimo. Tsy vitsy tamin’izy ireo no tsy tafatsangana intsony, ary nisy ireo efa lavo mihitsy noho ny hanoanana. Tsy niandry ela ny Fanjakana fa nandray andraikitra avy hatrany, ary ny Filoha mihitsy no nidina ifotony tany an-toerana nijery ny zavamisy, ary nametraka ireo paikady maika, sy maharitra hamahana ny olan’ny Kere any Atsimo.

Fermer