PolitikaSongadim-baovao

FANAMPIANA NY KITAPOM-BOLAM-PANJAKANA: Nolanian’ny Depiote ireo volavolan-dalàna roa mirakitra findramam-bola

Lany tsy nasiam-panovana, tsy nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna laharana faha-018/2024 sy ny volavolan-dalàna laharana faha-019/2024 izay nodinihana tamin’ny 16 Oktobra 2024, nentin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo.
Ny volavolan-dalàna faha-018/2024 voalohany « autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif au financement du Programme d’Appui à la Gestion Financière et la Résilience Economique », avy any amin’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny « Facilité d’appui à la transition » na FAT, dia mitentina 30 tapitrisa UC, izay manodidina ny 176.151.600.000 Ariary. Ny volavolan-dalàna faha-019/2024 faharoa « autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif au financement du Programme d’Appui à la Gestion Financière et la Résilience Economique », izay avy any amin’ny “Fonds Africain de Développement, dia mitentina 20 tapitrisa UC na 117 434 400 000 Ariary.
Araka ny fanazavana avy amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ity fampidramam-bola tsy misy zana-bola ity dia natao indrindra ho fampihenana ny tsy fahampiana amin’ny fampiasam-bola sy manampy amin’ny « relance économique ». Eo koa ny fanatsarana ny fahaiza-mitantana amin’ny sehatry ny angovo, ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola ho an’ny sehatra tsy miankina, ny fanampiana ny teti-bolam-panjakana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer