Non classé
FANAMPIANA SOSIALIM-BAHOAKA: Tokantrano miisa roa hetsy no hisitraka eto Antananarivo
“ Tena sahirana izahay amin’izao amin’ilay tsy afaka miasa… izay asa an-tselika kely mba hita eny no hividianana sakafo ao an-trano, dia tena tsy maharaka mihitsy fa zara raha misakafo“, hoy i Voahary, renim-pianakaviana manodidina ny 35 taona eo eo, manan-janaka iray. Tsy izy ihany fa maro ireo Malagasy no miaina trangan-javatra toa azy, amin’izao fotoan-tsarotra izao. Noho izany indrindra no nanokanan’ny Fanjakana malagasy vola mitentina 72 miliara ariary, ho fanampiana ny sosialim-bahoaka ao anatin’izao vanim-potoanan’ny valanaretina izao. Tsy tafandry mandry izahay mpitondra fanjakana raha toa ka tsy misakafo ny vahoaka malagasy, hoy ny Filoha Rajoelina, nandritra ny fizarana voalohany ny fanampiana sosialim-bahoaka ny sabotsy teo. Mbola notsindriany koa hoe “Hijoro hiaro ny vahoaka hatrany ny Fanjakana”. Araka izany, tsy resaka fotsiny no natao fa niroso avy hatrany tamin’ny fanomezana fanampiana ho an’ny tokatrano tena sahirana eto an’Antananarivo ny Fanjakana. Tambavy CVO, Menaka (Huile de Soja), Ronono mandry mamy, voamaina iray arona plastika, sira, no ao anatin’ny baoritra natolotry ny Fanjakana, niaraka tamin’ny vary 50kg. Nambaran’ny Filoham-pirenena fa tsy mitovy amin’ny fanampiana rehetra teo aloha ity natao ity satria natao betsaka tokoa, mifanaraka amin’ny filàn’ireo tokantrano marefo ara-pivelomana, raha tsy hilaza afatsy ny vary iray gony, izay tsy mbola nisy nanao fanampiana toy izany teto amin’ny firenena hatramin’izay, hoy izy nanazava.. .
Tokantrano roa hetsy
Ho an’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy, dia tetsy amin’ny Kianja Malacam Antanimena no natao ny fizarana, ka tokantrano roa arivo avy amin’ny boriboritany telo teto an-drenivohitra no nahazo ny anjarany. Tokantrano hatramin’ny roa hetsy kosa no hizarana ny fanampiana ho an’ny eto Antananarivo, araka ny nambaran’ny Filoha. Hitohy amin’ity herinandro ity noho izany ny fizarana, izay atao isaky ny boriborintany eto andrenivohitra, ka any amin’ny toerana malalaka any amin’ny fokontany ihany no hanatanterahana izany. Hisy koa ireo hozaraina mivantana isan-tokatrano, arakaraka ny lamina misy. Ny sabotsy teo koa no nilazan’ny Filoham-pirenena fa fotoana izao tokony hidirana amin’ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny fandraiketana an-tsoratra ny vahoaka, na ilay antsoina hoe “Digitalisation”. Tanjona, hoy izy, ny mba hanamorana ny fandaminana eny anivon’ny fokontany, indrindra rehefa misy fivoriam-pokontany. Etsy ankilany, mbola nanamafy ny Filohan’ny Repoblika fa tsy hijanona eto Antananarivo ihany ny tohana sosialim-bahoaka, fa hitohy any amin’ny Faritra, ka hanomboka amin’ity herinandro ity koa ny fizarana, indrindra ho an’ireo faritra voakasiky ny valanaretina. Nanararaotra nampahery ny vahoaka ny Filoham-pirenena nandritra ny fizarana ity fanampiana ara-tsosialy ity, fa tsy haharitra intsony dia ho resy ny valanaretina Covid-19. Manam-porofo izany ny efa fidinan’ny isan’ireo olom-baovao voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina isan’andro.

