PolitikaSongadim-baovao
FANANGANANA NY « ARAI »: Dingana lehibe amin’ny ady amin’ny kolikoly
Finiavana politika goavana no nametrahana ny rafitra hisahana ny fanagiazana sy fihazonana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Tsy nisy nametraka an’io ny Fitondram-panjakana nifandimby, hoy ny Filoha, kanefa dingana lehibe amin’ny ady amin’ny kolikoly izany. Tontosa omaly 3 jona 2022 teny amin'ny Fitsarana an-Tampony Anosy ny lanonam-pianianan'ny Tale Jeneralin’ny Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites (ARAI), Atoa. Rasoloharimanana Aimé.
Dingana lehibe amin’ny ady amin’ny kolikoly izay imasoan’izao Fitondram-panjakana izao, ny fananganana ny ARAI, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay nanatrika ny lanonam-pianianan’ny Tale Jeneralin’ny Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites (ARAI), Atoa. Rasoloharimanana Aimé, omaly teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.
Ny ARAI dia hisahana ny fanagiazana na fihazonana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ary hiroso amin’ny famerenana azy ireo. Voakasik’izany ireo fananana azo tamin’ny fanodikodinana ny fananana sy volam-panjakana, ny fanaovana kolikoly ary ny famotsiam-bola. Ny fampiasana ireo fananana voaverina ireo dia tapahina eo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra miainga amin’ny tatitra ataon’ny ARAI.
« Tsy hisy intsony izany manomboka izao ireo olona izay tra-tehaka manodinkodim-bolam-panjakana na nanao ny tsy nety teto amin’ny firenena ka hiditra am-ponja fotsiny, fa tsy amerina ireo vola azony tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Manomboka izao, ireo rehetra izay tratra nahazo fananana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna dia tsy maintsy mamerina ireo vola na fananana azony, ary iandraiketan’ny ARAI ny fanagiazana izany, sy ny famerenana izany indray eo anivon’ny kitapom-bolam-panjakana », hoy ny Filoha Andry Rajoelina, raha nanazava ny maha zava-dehibe ity rafitra natsangana ity. Araka izany, aorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana vao manomboka ny asan’ny ARAI, araka ny fanampim-panazavana.
Niarahaba manokana ity Tale Jeneralin’ny ARAI ity ny Filoha, ary nankahery azy amin’ny adidy izay iantsorohany. « Ny ady amin’ny kolikoly dia ezaka iarahan’ny be sy ny maro ka dia mila miara-mientana isika rehetra, ny tompon’andraikitra isan-tokony miaraka amin’ny vahoaka Malagasy fa indrindra ity Sampandraharaha vao napetraka ity ary mino sy manantena aho fa hahitantsika vokany ny fametrahana izao ARAI izao » hoy ny Filoha.




