PolitikaSongadim-baovao

FANAOVANA HAZALAMBO NY FIANAKAVIAN’NY FILOHA: Karohina fatratra i Marco Randrianisa

Rehefa tsy mahomby amin’ny fitarihana vahoaka sy ny fambolena korontana ny mpanohitra ankehitriny dia any amin’ny fanenjehana sy fampitahorana mahakasika fiainana manokana indray no tetikady handrodanana ny Fitondrana. Isany lasibatra voalohany amin’izany ny Vady aman-janaky ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Omaly, nivoaka ny filazana fikarohana an’ingahy Marco Randrianisa, noho ny fanaovana hazalambo ny fianakavian’ny ny Filoham-pirenena.

Efa tsy lalao madio intsony ny an’ny mpanohitra. Taorian’ny fampihorohoroana sy fampitahorana nataon-dRamatoa Fanirisoa Ernaivo tamin’ny alalan’ny horonantsary tany amin’ny tambazotra sosialy Facebook ny herinandro lasa teo, ingahy Marco Randrianisa indray no nanohy izany, tamin’ny alalan’ny horonantsary ihany koa, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny hita ao anatin’ny horonantsary, dia misy ny trano izay voalaza fa hitoeran’ny zanaky ny Filohan’ny Repoblika  any amin’ny sisintanin’i Suisse, izany hoe akaiky an’I Frantsa sy I Suisse. Teo anoloan’izany trano izany ity olona ity no nanao fanambarana manao hoe “tsy manan-tsafidy intsony isika ry vahoaka malagasy, na isika miditra amin’ny fitokonana faobe, na miditra amin’ny acte isolé”. Ity farany midika ho fanaovana hazalambo.  Teo anatrehan’izany, namoaka filazana fitadiavana ny Fanjakana malagasy, izay miantso ny rehetra mahita na mahafantatra azy mba hanome ny mombamomba azy, ny adiresy, na ny toerana mety ahitana azy. Azo atao ihany koa ny manatona mivantana ny masoivohon’i Madagasikara ao Paris na ao Genève. “Miantso famonoana sy fanaovana hazalambo amin’ny fianakavian’ny Filoham-pirenena izy tanaty tambazotra sosialy”, io no anton’ny filazana fikarohana, raha ny fampitam-baovao hatrany. Araka ny fanampim-panazavana, dia heloka henjehin’ny lalàna velona araka ny fehezan-dalàna famaizana ny nandehanany nidina tany Genève nikaroka ny misy ireo vady aman-janaky ny Filoham-pirenena izay mandranto fianarana any an-toerana.

Mpikambana RMDM Diaspora

Araka ny fanadihadiana, mpikambana feno ao amin’ny RMDM Diaspora izay misy an-dRamatoa Fanirisoa Ernaivo ity lehilahy ity. Izany hoe, miray tendro tanteraka amin’ny fanoherana eto an-tanindrazana. Saingy, mihevitra ny tenany fa any ampitan-dranomasina ka afaka manao  izay tiany atao, ary miteny izay tiany tenenina. Efa nolazaina teto hatrany fa tsy maha ambonin’ny lalàna olona iray ny fandehanany any ivelan’I Madagasikara. Azo enjehina foana ny olona na any ivelany aza. Tafiditra tao anatin’izany koa Ramatoa Fanirisoa Ernaivo izay niampanga fotsiny tsotra izao ny zanaky ny Filoha Andry Rajoelina ho mpifoka rongony  sy mandray zava-mahadomelina.

Ny zavatra hita sy tsapa amin’ny fihetsiky ny mpanohitra ankehitriny dia efa tsy lalao madio intsony no atao. Politika no resaka, kanefa tonga hatrany amin’ny fifofoana ny hain’ny fianakavian’ny Filoha. Hatramin’ingahy Ravalomanana, izay misora-tena ho lehiben’ny mpanohitra aza moa efa mampitovy ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny amin’ny Khadafi sy ry Sadam Houssen.  Mahatonga saina ihany hoe inona no tiana hahatongavana ? Ny iraisan’ireo Filoham-pirenena vahiny roa ireo mantsy dia ny fomba nahafatesany izay samy novonoina avokoa, raha toa anefa ka samy nanana ny hery sy ny tanjany koa teo amin’ny fitantanany. Mikasa hanao hazalambo sy hanaisotra tanteraka ny Filoha Rajoelina ihany koa izany ingahy Ravalomanana sy ny mpanohitra ka hamerina indray ny korontana tamin’ny 2002?

Ny Fanoratana.

Fermer