PolitikaSongadim-baovao
FANAPAHAN-DALANA, GREVY, DORO KODIARANA : Mpianatr’i Vontovorona dimy naratra nandritra ny fihetsiketsehana
Manoloana ny fitakiana ny famahana ny olan’ny jiro sy rano, izay tsy mandeha araka ny tokony ho izy, dia nanatanteraka fihetsiketsehana ireo mpianatra etsy Vontovorona, omaly maraina. Raikitra, araka izany, ny fitokonana. Nandoro kodiarana, nanapaka ny lalana sy nitoraka ireo mpitandro ny filaminana tonga teny an-toerana ireo mpianatra. Ho fitandroana ny filaminana, dia namaly tamin’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ireo mpitandro filaminana. Nitabataba ireo mpianatra mitady vahaolana amin’ny tomponandraikitra, ka izay no anton’ny hetsika. Omaly maraina nanomboka tamin’ny 6 ora tany ho any ny hetsika ary mbola mitohy hatramin’ny antoandro. Nandritra ny savorovoro, dia mpianatr’i Vontovorona dimy naratra nandritra ny fihetsiketsehana manohitra delestazy sy rano tapaka.
Manoloana ireo korontana sy savorovoro volena etsy sy eroa, dia nitondra ny heviny tao amin’ny tambazotran-tserasera sosialy, facebook, tao amin’ny rantiny ny Loholona, Lalatiana Rakotondrazafy fa « tsy mila korontana intsony eto Madagasikara. Tsy voaafin’ny mpanohitra intsony hoe, te hanakorontana mafy. Manonofy ny zava-nisy tany Népal mafy izy ireo, miparitaka ny vola, mandeha ny fampihorohoroana ara-tsaina marobe, efa manomboka alefa tsikelikely ny hoe « miala, miala ». Tsy niolaka izy nanambara ireo teti-dratsin’ireo mpanakorontana, fa ny hanimba sy hanakorontana no tanjon’ireo. Nahitsy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy nanambara fa « mamono firenena tsotra izao ny dikan’izany. Dia hihevitra izany fa raha korontanina sy potehina daholo ny zavatra rehetra dia hivaha ho azy eo ny olan’ny delestazy sy ny rano? ». Tsy niolaka izy nanambara fa « Tsia » no valiny. Tsy azo ekena ny korontana, tsy ao anaty korontana mihitsy no hamahana ny olana, raha ny fanampim-panazavany hatrany.
Pierre M.




