PolitikaSongadim-baovao

FANAPARIAHAM-BAOVAO AMIN’NY FACEBOOK: “Tsy voatery ho marina daholo izay lazaina momba ny Minisitra”, hoy ny Praiminisitra

Zary lasa raisin’ny olona ho toy ny singa iray lehibe tokony hifotoran’ny fandraisana fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena ny zava-misy ao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook ankehitriny. Misy andian’olona sasany mahavita mihitsy mamoaka vaovao mahakasika ana tomponandraiki-panjakana na olona ambony eto amin’ny firenena. Tsy voafaritra mihitsy anefa hoe hatraiza ny fahamarinany. Izany indrindra no nilazan’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly, fa tsy voatery ho marina avokoa izay lazain’ny Facebook.

Mbola raharaha mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny zava-misy eo anivon’ny Governemanta ankehitriny. Hatreto, minisitra roa no efa nametra-pialana tato anatin’ny enim-bolana farany niasan’ity Governemanta mijoro ankehitriny ity. Fametraham-pialana izay saika nifanandrify tamina fivoahana raharaha mafana mahakasika ilay Minisitra tany anaty tambajotran-tserasera avokoa. Noho izany indrindra no mahatonga ny olona sasany mihevitra fa lasa amin’ny alalan’ny Facebook no handraisan’ny Fitondram-panjakana fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena ankehritriny.

“Olon-dehibe ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra afaka mandinika sy mamakafaka ary mijery tsara hoe inona no zava-misy?”, hoy ny Praiminisitra omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika izay toe-javamisy eto amin’ny firenena izay. Zavatra sarotra izany fanendrena na fanesorana minisitra izany, hoy izy. Tsy kitoatoa ihany koa ny zavatra tahaka izany. Mifandray amin’ny zava-misy ny fanapahan-kevitra noraisina, hoy hatrany izy. Marihina fa ny Praiminisitra sy ny Filohan’ny Repoblika dia samy manana olona afaka manao fanadihadiana avokoa. Tsy ho amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera mihitsy, noho izany, no handeha hanesorana na hihazonana Minisitra iray.

Minisitra manana raharaha mafana?

Malaza ankehitriny ny resaka “Scandale” na “raharaha mafana” mahasaringotra olona ambony. Nilaza ny Praiminisitra fa tokony havahana tsara ny “scandale” miseho any amin’ny Facebook, sy izay tena miseho eto amin’ny firenena. Notsindriany, araka izany, fa ny Minisitra dia tomponandraikitra jeren’ny vahoaka. “Tsy voatery ho marina daholo ny zavatra rehetra resahana mahakasika ny Minisitra, na ny Praiministra, na koa ny Filohan’ny Repoblika”, hoy ny fanazavany. Mbola nohamafisiny fa “Tsy kilalaon-jaza ny raharaham-pirenena, ary ilàna fahamatorana tsara”. Betsaka loatra, hoy ny Lehiben’ny Governemanta, ny filalaovana ny hevitra ny olona any anatin’ireny tambajotran-tserasera ireny. Kanefa, tsy voatery ho marina daholo izay voalaza.

Manana ny antony ny Filoham-pirenena

Tsiahivina fa efa nitondra ny fanehoan-keviny koa ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo afak’omaly, araka izay efa notaterina teto. Notsiahivin’ity tomponandraikitra ity fa rehefa notendren’ny Filoha ny olona iray ao anaty Governemanta, dia manaiky ny hiala ihany koa rehefa tonga ny fotoana tokony hialana. Nambarany fa manana ny angom-baovao manokany ny Filohan’ny Repoblika sy ireo mpiara-miasa aminy. Diso tanteraka, noho izany, ny filazana fa miainga amin’ny Facebook ny fanapahan-kevitra raisin’ny Fanjakana. Mety efa mahalala vaovao mihoatra noho izay fantatry ny vahoaka aza ny Filohan’ny Repoblika amina tranga sasany. Dikany, manana ny antony ny Filoham-pirenena amin’ny fanalana na fihazonana ireo olona miara-miasa aminy, fa tsy voatery izay iniana voizina amin’ny Facebook sy ny haino aman-jery sasany akory.

Fermer