PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FANAPARIAHANA NY JIRO “HAZAVANA HO ANAO”: Manainga ny fifanomezan-tanan’ny Tomponandraiki-panjakana rehetra ny Filoha

Nataon’ny Filohan’ny Repoblika fandaharanasa nasionaly manokana ny fizarana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro isan-tokantrano “HAZAVANA HO ANAO”. Vina ny ananan’ny vahoaka malagasy maro an’isa herinaratra hampiasaina ao an-tokatrano. Nisy, noho izany, ny taratasy nalefan’ny Filohan’ny Repoblika tany amin’ny Praiminisitra sy ireo mpikamban’ny Governemanta ny tokony hifanomezana tanana amin’ny fanapariahana ity fitaovana ity.

Mialohan’ny niantombohan’ny Filankevitry ny Minisitra omaly dia novakiana tamin’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta ny Taratasin’ny Filohan’ny Repoblika izay mifandraika tanteraka amin’ny fanapariahana ny HAZAVANA HO ANAO manerana ny Nosy. Nanamafy izany taratasy izany ny amin’ny maha laharam-pahamehana io tetikasam-panjakana io satria miantefa tanteraka amin’ny andavanandron’ny vahoaka Malagasy ary tena maha saropiaro ny Filohan’ny Repoblika izany. Nanainga ny tomponandraiki-panjakana rehetra Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba samy handray ny anjara andraikitra tandrify azy, ary hiara-hientana sy hifanome tanana ho fanasoavana ny vahoaka Malagasy tsivakivolo, indrindra ireo marefo indrindra.

Notsindrian’ny Filoha tao anatin’io taratasy nalefany io , fa afaka mitahiry vola 10 000ar hatramin’ny 30 000ar any ho any ireo fianakaviana izay miroso amin’ny fampiasana ‘kit solaire”. Mihena koa ny ambana amin’ireo tokantrano nampiasa solitany hatramin’izay satria ho azo antoka kokoa ny fahasalamana. Mihena toy izany koa ambana amin’ny firehetana noho ny tsy fahaiza-mifehy ny solitany. Voaaro ihany koa ny tontolo iainana satria tsy mandoto rivotra ity fitaovana ity. Etsy ankilany, ho tsara ny vokatra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana satria ifantoka kokoa amin’ny fianarana ny ankizy rehefa mazava ny ao an-tokantrano.

Izany hoe, tombontsoa maro ara-tsosialy sy ara-toekarena no azo amin’ny fisitrahan’ny vahoaka malagasy ity jiro Hazavana ho anao ity. Ireo Minisitra mpiahy isam-paritra kosa no mandrindra ny fitsinjarana izany, araka ny fanazavana.

Ny Fanoratana.

Fermer