PolitikaSongadim-baovao
FANAPARIAHANA VAOVAO DISO: Mamono ny fahalalahana miteny sy ny demokrasia
Tsy voafetra intsony ny fiparitahan’ny vaovao tsy marina sy ny tsaho noho ny firoboroboan’ny teknolojia vaovaon’ny serasera sy ny fifandraisana, indrindra tato anatin’ny folo taona farany. Isan’ny lasibatra voalohany amin’io tranga io ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, izay antom-pisian’ny fikaonan-doha momba ny fiatrehana ny fanelezana vaovao tsy marim-pototra na koa niniana nodisoina, etsy Anosy nanomboka omaly.
« Ny fielezan’ny vaovao tsy marina sy ny fanapariahana vaovao niniana nodisoana ankehitriny no tena mamotika ny demokrasia sy mamono ny fahalalahana miteny, mandinika ary manao gazety » hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo omaly nandritra ny andro voalohany amin’ny fikaonan-doha handinihina ny fomba hiatrehana ny fanelezana vaovao tsy marina, izay tanterahina etsy amin’ny tranombokim-pirenena etsy Anosy mandritry ny roa andro ary nanomboka omaly 19 Mey 2022.
Vao maika nampirongatra ny fielezan’ny vaovao tsy mari-pototra sy ireo vaovao izay niniana disoina ny firoborobon’ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisan-davitra, hoy hatrany ny Minisitra. Nohamafisiny nandritra ity andro voalohan’ny fikaonan-doha ity, ny maha-zava-dehibe ny fanajan’ny mpanao gazety ireo fitsipika fototry ny asa, toy ny fanamarinam-baovao, ny fanajana ny tranga, ary ny fanitsiana ny vaovao raha toa ka voamarina fa nisy fahadisoana. « Izao vanim-potoana misy antsika izao indrindra no tena ilaina ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety matihanina » hoy ny Minisitra. Nohamafisin-dRamatoa Minisitra koa fa tsy midika ho gaboraraka ny fahalalahana ary ny lalàna manan-kery dia efa mamaritra izay sazy mifandraikitra amin’izay mety ho fanahy iniana manaparitaka vaovao tsy marina.
Mpisehatra marolafy miara-mikaon-doha
Ny fahitana ny firongatry ny fielezana vaovao tsy marina sy ny fanapariahana vaovao niniana nodisoina eny amin’ny fiaraha-monina, fa indrindra amin’ny tambazotran-tserasera, izay hita fa tena manimba ny fiaraha-monina no nanosika ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina, ny vondron’ireo orinasa an-gazety sy haino aman-jery na ny « Groupement des Editeurs de Presse d’Information et de Multimédia de Madagascar », ary ny fikambanana « Actions medias francophones » nifanolo-tanana nikarakara ity fikaonan-doha ity.
Mandray anjara amin’izany ireo tompon’andraikitra voalohany amin’ny orinasa fanaovan-gazety, manampahaizana manokana momba ny asa fanaovan-gazety, mpanao gazety ary mpianatra ho mpanao gazety manodidina 80. Tanjon’ny hetsika ny handinihina miaraka izay tokony hatao hiatrehana fanelezana vaovao tsy marina. Ankoatra ireo manam-pahaizana malagasy, dia ahitana manam-pahaizana vahiny ihany koa mitondra tantsoroka sy mizara traik’efa mandritra ity fikaonan-doha ity.




