Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANAPOIZINANA ARA-TSAKAFO : Olona 12 indray naiditra hopitaly tany Ambohimandroso

Olona maromaro indray niditra hopitaly tao amin’ny CSBII Ambohimandroso, izay tratran’ny fanampoizinana ara-tsakafo, omaly maraina taminny 7 ora. Fianakaviana iray trano no niditra hopitaly sy manaraka fitsaboana ao amin’ny CSBII Ambohimandroso, nanomboka ny harivan’ny alahady lasa teo. Araka ny fanazavan’ireo marary, misy amin’izy ireo no mpiasa amin’ny « gargotte » iray ao amin’ny tsenan’Ambohimandroso. Tamin’ny sabotsy lasa teo, nivarotra toy ny mahazatra tao amin’ilay « gargotte » fiasany izy ireo, ka rehefa tonga ny hariva, dia nitondra nody tamin’ny ambin’ny « composé », izay tsy lany ry zareo. Rehefa tonga tany an-trano, dia samy nihinana tamin’izany ny mpianakavy. Nony tonga ny alina, nanomboka narary kibo izy mianakavy ary nandoa sy nivalana. Niezaka niharitra teo ihany izy ireo, fa rehefa hitany fa nihombo ilay aretin-kibo, vao tapa-kevitra namonjy toeram-pitsaboana. Izy 12 ireo, araka izany, dia samy monina ao Ambohimarina, fokontany Lovainjafy, kaominina ambanivohitra Ambohimpihaonana, Distrikan Antanifotsy. Marihina fa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy ireo, ary efa tsy misy ahina intsony ny fahasalamany, raha ny nambaran’ny mpitsabo. Na izany aza, mbola arahi-maso ao amin’ny hopitaly izy ireo. Nosokafana ny fanadihadiana ahafantarana, izay tena zava-nisy marina. Nisy ny fidinana ifotony omaly tolakandro, izay niarahana tamin’ny solontenan’ny fahasalamana, ny eo anivon’ny kaominina, ka hanentanana ireo mpivarotra hanimasaka, mba hisorohana ny tsy hiverenan’ny tranga toy izao.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer