Songadim-baovaoSosialy

FANAPOIZINANA ARA-TSAKAFO TENY AMBOHIMALAZA : Tafakatra 17 ireo namoy ny ainy, natsangana ny « cellule de crise »

Manolona ny tranga famoizana ain’olona vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo, niseho tamina trano filanonana iray teny Ambohimalaza, tamina fankalazana tsingerintaona nahaterahana.  Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety, ny avy eo anivon’ny Polisimpirenena sy ny  Zandarimariam-pirenena omaly, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, izay mandray an-tanana miaraka ny fanadihadiana momba iny raharaha iny. Natsangana ny « cellule de crise » mahakasika ny raharaha nahafatesana ireo olona miisa 17, noho ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga tamin’ny sabotsy lasa teo, teny Ambohimalaza. « Mbola ao anatin’ny fikarohana ny marina tanteraka isika ka aoka tsy hanaparitaka vaovao tsy marim-pototra », raha ny nambaran’ny Jeneraly Ravoavy Zafisambatra. Niantso ny olom-pirenena mba ho mailo manoloana ny fiparitahan’ny vaovao tsy marina koa ireto tomponandraikitra ireto, amin’ny tranga tahaka izao. Hisy fampitam-baovao hatrany ho atao manoloana ny fivoaran’ity raharaha ity. Ao anatin’ny fanaovana fitsirihana ireo ambin-tsakafo tavela ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. iarahan’ny Polisimpirenena sy ny Zandarimariam-pirenena, ny fanadihadiana momba iny raharaha iny.

Tsy ara-dalàna…

Nitondra fanazavana koa ny avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifàna ary ny Minisiteran’ny Fizahantany. Nambara tamin’ity valandresaka ity fa efa mizotra ankehitriny ny fitsirihana manokana ataon’ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifàna amin’ireo ambin-tsakafo nampiasaina tamin’io fotoana io mba hahafaha-manamarina ny tena zava-nisy. Efa nakatona vonjimaika ilay trano filanonana, izay voalaza fa tsy ara-dalàna. Ankehitriny, efa nalefa natao fitiliana ireo singa sy ireo ambin-tsakafo, na teo anivon’ny trano fandraisana lanonana na teo anivon’ilay tokantrano nikarakara sakafo. Andrasana, araka izany, ny valin’izay fitiliana izay, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Tsy maintsy miandry ny valin’ireo karazana fanadihadiana vao afaka manamarina  na  »empoisonnement » na  »intoxication alimentaire », no mahazo ireo olona ireo, raha ny fanazavana omaly.

Pierre M.

Araka ny fampitam-baovao omaly, tafakatra telo no namoy ny ainy vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo tao Mahajanga. Zaza miisa efatra, kosa mbola arahi-maso akaiky ny fahasalamany. Voalaza fa nihinana « charcuterie » tamin’ny alahady teo, fetin’ny ray no nahatonga izany.  Izy ireo izay fianakaviana iray mipetraka eny Tsaramandroso Ambony. Tonga nijery sy nitsapa alahelo teny amin’ny CHU Pezaga Androva ireo manampahefana ao an-toerana, notarihin’ny Governoran’ny Faritra Boeny, sy ny Ben’ny Tanànan’i Mahajanga.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer