Songadim-baovaoSosialy
FANAPOIZINANA NAMOIZANA AINA MARO : Hisy ny tatitra sy ny fanazavana rehetra rahampitso alina
Manoloana ny raharaha mikasika fanapoizinana niteraka famoizana ain’olona maro, dia mampiantso ireo Minisitra tomponandraikitra ao amin’ny Lapam-pajakana ao Iavoloha, ny Filoha Andry Rajoelina, ka hanome ny tatitra sy fanazavana rehetra momba ity raharaha ity ho an’ny vahoaka malagasy izy ireo, rah any fampitam-baovao. Nanambara ny Filoha tamin’ny fampitam-baovao, fa efa nataony laharam-pahamehana hatrizay fa ny marina hatrany no ho lazaina ho an’ny vahoaka malagasy. Araka izany, ho arahina mivantana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, TVM sy RNM izany rahampitso alakamisy 24 jolay, amin’ny 8 ora alina, mba tsy ho tompon-trano mihono ny Malagasy, indrindra ireo manana havana maty sy mbola miatrika fitsaboana. Raha tsiahivina, andro vitsy nisehoan’ity tranga ity, dia efa nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety ireo mpikambana tao amin’ny governemanta, momba ny resaka fanapoizinana ara-tsakafo, niseho tamin’ny fankalazana ny tsingerintaona teny Ambohimalaza, iny.
Nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Zely Randriamanantany tamin’izay fa « tena famosaviana, izay fanapoizinana ara-tsakafo. Fantatra fa ilay « donut » no nanaovana ilay famosaviana. Nanaovana fanandramana tamina totozy ny ampahany tamin’ny sakafo. Vantany vao avy nihinana ilay “donut” ireo totozy, dia maty nitsipaka avy hatrany. Voamarina, araka izany, fa tena famosaviana no niseho, ka nahafatesana ireo olona ampolony maro, izay nanatrika ilay fety natao teny amin’ny toeram-pilanonana iray teny Ambohimalaza. Noraisin’ny Fanjakana 100% an-tanana ny fitsaboana ireo marary ireo. Tanjona ny hanavotana ny ain’ireo olona nianjadian’ity famosaviana ity, raha ny fanazavana hatrany. Nilaza moa ny avy ao amin’ny Fampanoavana fa tsy handefitra velively, momba ity raharaha ity, ary tsy hanaiky velively ny hanomezana fahafahana vonjimaika ho an’ireo izay mitady mahakasika izany, indrindra ho an’ireo izay voarohirohy.
Pierre M


