Songadim-baovaoSosialy
FANAPOIZINANA TETSY AMBOHIMALAZA: Vita fanadihadiana i Fenohasina, notazomina etsy Fiadanana ny reniny
Notanterahina omaly ny fanadihadiana an’i Fenohasina, ilay tompom-pety tamin’ny raharaha famosaviana niseho tetsy Ambohimalaza, iray volana mahery lasa izay, ka nahafatesana olona 30 mahery. Notazomina etsy amin’ny Sampana heloka bevava an’ny Zandarimaria etsy Fiadanana kosa, ny reniny. Ilay tompom-pety moa dia efa namoahana IST, na dia nisy nangataka Evasan aza. Mitohy ny fanadihadiana…
Notontosaina omaly ny fanadihadiana an’i Fenohasina, ilay tompom-pety, tamin’ny raharaha famosaviana niseho tetsy Ambohimalaza, izay nahafatesana olona maherin’ny 30. Niteraka resabe tanaty tambazotra ara-tsosialy “facebook” moa ny fisiana na tsia io famotorana io. Raha ny angom-baovao marim-pototra azonay, dia efa vita ny fanadihadiana ny tompom-pety momba ity raharaha ity. Ilay tompom-pety moa dia efa namoahana IST, na dia nisy nangataka Evasan aza. Noraisina io fanapahan-kevitra io rehefa fantatra fa efa nahazo « visa » hiondrana any ivelany ny tenany, mialoha ity tranga ity, mba hiantohana ny fandehanan’ny fanadihadiana tsy misy sakantsakana. Nanaraka fitsaboana toy ireo hafa tao amin’ny CHU JRA etsy Ampefiloha izy, ary rehefa voamarina fa afa-niatrika mpanao fanadihadiana, dia niroso tamin’izany. Notazomina etsy amin’ny Sampana heloka bevava an’ny Zandarimaria etsy Fiadanana kosa, ny reniny, taorian’ny fanadihadiana azy.
Ankoatra izay, dia niampy iray indray, ireo sitrana soa aman-tsara, izay midika fa 17 ireo marary no efa sitrana ka afaka nody tany an-tokantranony. Afakomaly 20 Jolay no nivoaka ny hopitaly CHU JRA Ampefiloha i Tojo, iray tamin’ireo tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. Iray volana mahery izy no nijanona tao amin’ny hopitaly, sady tsy afa-nihetsika teo am-pandriana no tsy afaka niteny. Noho ny ezaka rehetra nataon’ireo mpitsabo anefa, tafavoaka soa aman-tsara ny tenany. Valo no mbola anaty fitsaboana amin’izao, raha iray no mbola anaty fahasarotana, araka ny tatitry ny CHU JRA Ampefiloha.
Japian’ny mpanao politika mafy…
Niezaka nivondrona ireo fianakavian’ny niharam-boina, tamin’ilay raharaha famosaviana tamin’ny sakafo niseho teny Ambohimalaza. Nisy mihitsy aza, ny farany herinandro lasa teo, ny fiaraha-miombom-bavaka tetsy amin’ny Kianja maitson’Analamahitsy. Saingy, hita taratra eny, ireo mpanao politika mijapy ny fahorian’ireo niharan’ny mafy nandritra iny tranga teny amin’ny sampanan’Imerinkasinina iny. Nivondrona ny fianakavian’ireo niharam-boina sasany. Niray hina izy ireo nametraka fitoriana ary efa nohenoina teny amin’ny Sampana heloka bevava an’ny Zandarimaria etsy Fiadanana. Tonga hatramin’ny fanomezan’ireo mpanao politika mijapy ireo mpisolovava mihitsy ny raharaha. Efa tsy mahagaga firy ny fihetsik’ireo mpanao politika, satria mitady hevitra hamelezana ny Mpitondra fanjakana, hany ka mitady hevitra hatrany mba hisongadinana, na dia any anatin’ny fahorian’ny sasany aza.
Nofoanana ny fanendrena ny Dr Manuella Vololonirina Nivoariso tsy ho « Directeur de la Veille Sanitaire, de la Surveillance Epidémiologique et Riposte » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nisy ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra, Ntsay Christian ary ireo ministra voakasika omaly, teny Ambotsirohitra ka nandraisana ity fanapaha-kevitra ity. Anisany nampalaza an’ity mpitsabo ity ny fanehoan-kevitra notontosainy, momba ny raharaha Ambohimalaza, tamin’ny haino vaky jery vahiny, izay niteraka resabe.
Pierre M.




