PolitikaSongadim-baovao

FANARENANA AN’I MANANJARY: Hamboarina ireo fotodrafitrasa simba, hozaraina ny Vatsy Tsinjo, hisy ny vary mora, …

Fanarenana tanteraka no ilain’ny mponin’i Mananjary taorian’ny fandalovan’ny Rivodoza Batsirai, ny faran’ny herinandro teo. Tonga nijery sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina tany an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina mivady, omaly. Nandritra izany no nanambarany ny fanarenana ny hopitaliben’I Mananjary, ny fizarana vatsy tsinjo ho an’ireo traboina, ny fandefasana tafo fanitso maro any an-toerana, ny famatsiana vary mora ireo tsena any an-toerana, sy ny sisa.

Potika ny 95%-n’ny tanànan’i Mananjary. Potika avokoa ny trano fonenana, ny sekoly, ny biraom-panjakana, ny hopitaly, ny fiangonana sy ny fotodrafitrasa maro hafa toy ny andrin-jiro. Vao nigadona tany an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina omaly dia nitsidika avy hatrany ny hopitaly « Centre Hospitalier de Référence District Mananjary – CHRD ». Natsangana ny taona 1998 ny hopitaly ary saika tsy nisy nahafantarana ny fotodrafitrasa intsony noho ny fahasimbana. Niendaka ny tafo, rava avokoa ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa afa-tsy ireo fototra sy ny faritra vita amin’ny « béton ». Efa maina ny andro ao Mananjary saingy mbola dobo rano ny faritry ny hopitaly toy ny « Chapelle », fitsaboana vaky tatavia, ny salle de stérilisation, ny biraon’ny Lehiben’ny Hopitaly, ny toeram-pandindiana, ny salle des soins, ny fanaovana anesthésie sy ny garde ary ny salle d’accouchement. Mbola mandray marary miisa 19 hatramin’ny vehivavy hiteraka nefa ny hopitaly. Nanome baiko avy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina ny hamindrana toerana ireo marary. Efa misy ny fifampiresahana amin’ny Hopitaly catholique izay vao vita ao an-toerana amin’ny fanatanterahana izany. Hamboarina ny hopitaly simba ary hametrahana hopitaly manarapenitra ao Mananjary. « Hatao hopitaly mafy sy hahazaka izay mety ho rivodoza hafa ny hopitaly hatsangana mba tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony », hoy izy. Isany fepetra takian’ny Filoha amin’ny fananganana ny hopitaly ny hanaovana ny tafo “en béton” sy manana “étanchéité”.

Tsy ekena ny fanararaotana ny vahoaka

Nitsidika ny tsenan’i Mananjary koa ny Filoha Andry Rajoelina mivady. Araka ny fanazavana, nitaraina ireo vahoaka fa ahiana ny fanararaotana ny amin’ny vidin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro, indrindra fa ny vary taorian’ny rivodoza. Potika tanteraka ihany koa ireo vokatra fiveloman’ny mponina ao Mananjary toy ny voly lavanila, dipoavatra, fary indrindra ny vary. Manampy trotraka izany ny fahatapahan’ny am-pahandalana ao Ranomafana ka manasarotra ny famatsiana ny distrika. Tsy ekena ny fanararaotana ny vahoaka mandalo fotoan-tsarotra, hoy ny Filoha. Ankoatra ny fanampiana vary tsinjo omena ny traboina, hisy ny vary mora 30 taonina ho tonga ao Mananjary izay hamidy ho 1000ar ny kilao eny anivon’ny tsena mora , indroa isan-kerinandro hahafahana mifehy ny vidim-bary. Hahazo fanampiana amin’ny Filoha ihany koa ireo mpivarotra rehetra tao amin’ny tsenan’i Mananjary notsidihiny. Tonga nihaona tamin’ny traboina amin’ny tokantrano 200 isa sy nanolotra fanampiana azy ireo ny Filoha mivady tao amin’ny Kianjan’i Monseigneur Tabao. Vatsy tsinjo feno no nomen’ny Filoha nahitana vary amin’ny gony, ronono amby fotsy, voamaina, sardine amby fotsy roa sy menaka iray litatra ary CVO. Natao anaty harona sachet ny entana rehetra ho fanajana ny mangaraharaha amin’ny fizarana ny fanampiana.

Tsy misy hetra amin’ny fananganana trano

Tsy maintsy averina amin’ny laoniny i Mananjary manontolo, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Hamboarina avokoa ireo fotodrafitrasa rehetra simba ao an-toerana sokajiana ho fananana iombonana isany izany ny : sekoly, ny hopitaly, ny biraom-panjakana samihafa sy ny fiangonana. « Afaka mandefa ny sarin’ny fiangonana simba any amin’ny fiadidian’ny Repoblika sy manao fangatahana ny refin’ny tafo ilaina ny fiangonana na inona na inona finoana fa ho raisina an-tanana izany” , hoy ny Filohampirenena. Hamorain’ny Filoha ihany koa ny fanampiana ny vahoaka hanarina ny trano fonenany rava. « Tsy hisy ny hetra takiana amin’ny fananganana tranon’ny traboina rava- permis de construire ». Handefa tafo fanitso maro any Mananjary koa ny Filoha izay ho jifaina amin’ny vidiny mora mba hanampiana ny mponina hanarina ny trano fonenany. Tapaka efa nandritry ny telo andro ny jiro ao Mananjary sy ireo distrika hafa mandrafitra an’i Vatovavy. Nanome toromarika manokana ny tsy maintsy handefasan’ny Ministry ny angovo sy ny akoran’afo olona hiasa hamerenana haingana sy anaty fotoana fohy ny Filoha. Raha ny tatitra azony, mbola afaka iray volana vao ho tafaverina ny jiro ao an-toerana ka notakian’ny Filoha ny tsy maintsy hamerenana izany haingana.

Fermer