Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
FANARENANA FOHY EZAKA NY KITRA MALAGASY: Teknisiana voafantina maherin’ny 15 halefa hiofana any Maroc
Naneho ny hakiviany manoloana ny fandaniam-bolabe amin’ny fandefasana ireo atleta mankany ivelany, kanefa tsy mitondra vokatra, ny Fitondram-panjakana ka nitady paikady vonjimaika sy maharitra hanarenana ny fanatanjahan-tena malagasy. Ny taranja baolina kitra no hanombohana izany fanavaozana izany…
Hitondra vahaolana fohy ezaka avy hatrany ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena (MJS), izay tarihin’ny Minisitra Marson Moustapha Abdulah, mba hanarenana ny lesoka eo amin’ny fitantanana ny Federasiona, manoloana ny vokatra ara-panatanjahan-tena azon’ireo atleta malagasy isan-tsokajiny tany ivelany nisesy tato ho ato. Nosinganin’ny Minisitry ny fanatanjahan-tena tamin’izany, ny vokatra azon’ny taranja Baolina lavalava vehivavy, izay nanao fifaninanana tany Dubai ka resy tamin’ny isa mavesatra 83 noho 0. Ny taranja Karate tany Tunisse sy Venise, ny taranja baolina kitra an’ny Barea Madagasikara, tao Maroc, farany teo. Ny taranja Judo, voalaza fa tsy nahazoana vokatra tsara farany teo, sy ny sisa. Paikady avy hatrany no aroson’ny minisitera, entina hamahana olan’ny fanatanjahan-tena eto Madagasikara. Notsiahiviny tamin’izany, fa ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena no miahy ireo Federasiona miisa 46 misy eto Madagasikara amin’izao fotoana, ka hananany fahefana sy adidy feno amin’ny fiahiana sy ny fanarenana azy. Paikady natao hakana lesona sy hijerena sy hamolavolana tetikasa vaovao, ary hampiakarana ny fahaiza-manaon’ireo atleta malagasy no atao anatin’izany. Ankoatra ny ekipam-pirenena Barea, tanjona ny hanohana ireo klioba sy ny kitra vehivavy sy tanora.
Tompon’andraikitra rehetra anaty Federasiona
Hatomboka amin’ny taranja baolina kitra ity fanarenana ara-panatanjahan-tena eto amintsika izay hotanterahin’ny minisitera ity. Eo anatrehan’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Maroc, dia hisy fanofanana teknisiana amin’ny Baolina kitra malagasy, halefa hiatrika fiofanana any an-toerana. Hisy fifantenana ao anatin’izany, ka 15 hatramin’ny 20 isa no halefa hiatrika io fiofanana io manomboka ny zoma 01 novambra izao. Mpikamban’ny Federasiona kitra malagasy ao amin’ny Birao teknika nasionaly (BTN), mpitsara sy mpanazatra, no fantatra fa hiatrika izany. Hojerena any ny tsy nety sy ny tokony harenina. Horaisin’ireo teknisiana marokanina ireo delegasiona malagasy, ho fanampiana sy fandraisan-tanana ny fanarenana ny fanatanjahan-tena malagasy. Ny firenena marokanina no fantatra, fa hiantoka ny saran-dalana sy ny lany rehetra amin’izany, vokatr’io fiaraha-miasa io. “Zava-dehibe ao anatin’io fiaraha-miasa io ny fifanakalozana ara-teknika amin’ireo olona heverina fa tokony hanampy mba hampiova ny fitantanana ny kitra eto Madagasikara”, hoy ny Minisitra. Mbola misy ireo paikady antonony sy lavitr’ezaka nambaran’ny Minisitra hotanterahina. Fotoana izao hiverenana hijerena ny paikady hanovana famindra, tsy handaniana vola fahatany handefasana mankany ivelany ireo atleta. Tanjona ny tsy hahavery maina ny fivoahan’ireo atleta mankany ivelany, ka hampodiana medaly volamena maro isan-taranja, na fifaninanana aty Afrika io na Rezionaly aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, na fifaninanana iraisam-pirenena. Fantatra, fa toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika izao fanarenana ifotony ny fanatanjahan-tena malagasy izao. Nitondra ireo fanazavana tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny Minisitry ny MJS, omaly.
Stan R.




