PolitikaSongadim-baovao

FANARENANA NY FIRENENA : Miantso ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny Praiminisitra Zafisambo Ruphin

Nisongadina tao anatin’ny kabary voalohany nataon’ny Praiminisitra vaovao, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat, ny antso ho amin’ny fiaraha-mientana sy fifanomezan-tanana amin’ny fanarenana sy fanavaozana ny firenena. Hisokatra ho an’ny ankolafy rehetra ny Governemanta, hoy izy. Ary maneho ny fahavononana hifampiresaka amin’ny tanora ny tenany. Notontosaina omaly moa ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Praiminisitra teo aloha.

Nahitsy ny Praiminisitra Zafisambo Ruphin Fortunat omaly, raha nandray fitenenana fa ny Fanjakana dia tsy sehatra iadian-kevitra fotsiny, fa ho ivon’ny fanavaozana maharitra amin’ny alalan’ny fifampiresahana, ny fanajana ny rafitra, ary ny fanekena ny zava-misy eny ifotony, indrindra ny fifampihainoana. Araka izany, nisarika ny rehetra ny Praiminisitra mba hifantoka amin’ny fanarenana sy ny fanavaozana ho tombontsoa ambonin’ny firenena.
Niaraha-nahita, hoy izy, fa nandalo tranga sarotra ny firenena tato anatin’ny andro vitsy, indrindra nanomboka ny 25 Septambra 2025 teo. Nisy ny fikorontanana izay nisy fiantraikany tamin’ny fiarahamonina sy ny fihariana. Amin’izao fotoana sarotra iainan’ny firenena izao dia ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra. “Miantso am-pahatsorana sy am-pahendrena ireo ankolafy politika rehetra aho, na inona na inona firehana sy fomba fijery mba hifanome tanana amin’ny fanarenana sy ny fanavaozana”, hoy ny kabariny. Ny fifanolanana, hoy izy, dia tsy tokony ho sakana amin’ny fanompoam-pirenena, fa fanamby iombonana kosa amin’ny fanamafisana ny firaisankina mankany amin’ny fampandrosoana.
Olan’ny Jiro sy Rano
Araka ireo fangatahana maro isankarazany, ara-tsosialy sy ara-toekarena, avy amin’ireo ankolafin-kery misy eto anivon’ny firenena dia nilaza ny Praiministra fa misokatra amin’ny rehetra ny Fitondram-panjakana amin’ny fifampiresahana, amin’ny fanekena ny fahasamihafana, ary amin’ny fametrahana vahaolana maharitra sy mirindra. Misy ny ezaka atao amin’ny fiantohana ny Jiro sy Rano eto Antananarivo sy amin’ireo Faritra maro manerana ny Nosy, izay hotratrarina ao anatin’ny 6 volana voalohany ny dingana voalohany, ary ho azo tsapain-tanana, araka ny fanamby napetraky ny Filoha.
Mifanindran-dalana amin’izany ny famahana ny olana maro samihafa. Ohatra amin’izany ny hanombohana ny fanorenana ireo toeram-ponenan’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Ambonin’izany rehetra izany ny fifampiresahana izay hotarihin’ny Filoha ho fanamafisana ny fatokisan’ny vahoaka. Araka izany, ny Governemanta hijoro eo dia hisokatra amin’ny ankolafin-kery maro, ho sehatra iombonana amin’ny fanarenana, ary ho antoka amin’ny fanajana ny rafitra demokratika sy ny zon’ny tsirairay.
Vonona hiresaka amin’ireo “Gen Z”
Eo anatrehan’izany dia miantso fiaraha-mientana ho fanarenana ny firenena ny Praiminisitra. Eo koa ny hamerenana indray ny fifampitokisana, ary ho an’ny fananganana ho avy mirindra sy maharitra ho an’ny firenena. “Fantatro fa maro ireo tanora, indrindra ireo taranaka vaovao ao amin’ny “Génération Z”, maneho hevitra am-pahasahiana, am-pahendrena, ary amin’ny endrika vaovao. Manamafy aho fa mihaino ary vonona hifampiresaka amin’izy ireo. Ny feon’ny tanora dia tsy feo manohitra fotsiny, fa feo manentana sy manaitra ary manampy amin’ny fanavaozana”, hoy ny Praiminisitra.
Hiaraha-mahalala fa ireo fitakiana maro sosona avy amin’ny vahoaka dia miankina indrindra amin’ny fampitomboana ny famokarana sy ny fampiroboroboana ny fihariana, ary ny ezaka ataon’ireo sehatra tsy miankina. Tsy ho tratra anefa izany rehetra izany raha tsy ao anatin’ny fitoniana sy fandriampahalemana, araka ny fanamafisana nataony hatrany.
Omaly moa no notontosaina teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian sy ny Praiminisitra vaovao Zafisambo Ruphin Fortunat.
Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer