PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FANARENANA NY TAKAITRA NAVELAN’NY ANDRO RATSY: Hanetsika 35 tapitrisa dolara ny Fanjakana malagasy
Goavana ny takaitra navelan’ny andro ratsy nandalo teto amintsika, indrindra ny tondra-drano izay nahatonga fahasahiranana ho an’ny fianakaviana maro. Efa maherin’ny iray hetsika ankehitriny ireo traboina manerana ny Nosy, araka ny tarehimarika farany. Feno, noho izany, ny fepetra nanambarana ny “Etat de sinistre national” ho antsika eto Madagasikara, izay efa nampahafantarina tamin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly.
“Feno ankehitriny ny fepetra ahafahana manambara ny “état de sinistre national”. Noraisina teo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta ny didim-panjakana manambara izany”, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany, taorian’ny fijerena ireo takaitra rehetra navelan’ny andro ratsy teto amintsika.
Mahakasika izay indrindra, ho fiatrehana ny fanarenana ny simba rehetra sy ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo traboina dia hirosoana ny fampiasana ny famatsiam-bola efa nosoniavin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Banky Iraisampirenana izay nahazoana famatsiam-bola 50 tapitrisa dolara ahafahana miatrika ny loza voajanahary. Ka mbola misy eo ho eo amin’ny 35 tapitrisa dolara amin’izany mbola azo ampiasaina ankehitriny saingy mila manaraka ny antanan-tohatra hahafahana mamoaka izany famatsiam-bola izany. Mba hirosoana amin’izany dia nentanina, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, ireo Minisitera tsirairay avy hiroso amin’ny fanaovana tombana amin’ny antsipiriany ireo takaitra na ny “evaluation détaillée des dégâts” mifandraika amin’ny sehatra tantanan’izy ireo.
Tosika Fameno, Vatsy Tsinjo
Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly, nanterin’ny Filoham-pirenena tamin’ireo Minisitra rehetra fa ilaina ny fahaizana manao fandrindran’asa (coordination) sy fanehoana fahaiza-mitarika (leadership) ary ny fahaizana mandamina (organisation) amin’ny fiatrehana izao krizy izao. Hamafisina sy hiompana bebe kokoa amin’ny lafiny ara-tsosialy ny fanarenana ny zava-misy taorian’ny fandalovan’ny andro ratsy teto Madagasikara. Ireo mponina traboina sahirana rehetra any amin’ireo faritra rehetra izay voakasik’iny voina iny, dia omena Tosika Fameno avokoa. Hafainganina ihany koa ny fanaovana kara-pokontany “digitalisés” ho an’ireo faritra niharan’ny tondra-drano hahazoan’izy ireo izany fanampiana izany. Apetraka haingana ny planina fizarana ny Vatsy Tsinjo sy Tosika Fameno eto Antananarivo sy any amin’ny Faritra niharam-boina.
Hojerena manokana izay fomba sy fitaovana rehetra hanampiana ireo olona rehetra traboina amin’ny fanarenana ny tranon’izy ireo izay simba. Hojerena ny hahafahana manampy ireo traboina ara-pitaovana. Hisy ny “études” na fandinihana mikasika ny famoronana asa sy fametrahana tetikady mikasika ny fanomezana toeram-ponenana vaovao na “stratégie de relogement”.




