Songadim-baovaoToekarena

FANARENANA NY TOEKARENA: Tafapetraka ny paikady hampiroboroboana ny fizahantany anatiny

Sehatra anisany nizaka ny voka-dratsy nateraky ny krizy ara-pahasalamana ny Fizahantany. Ity farany anefa izay manome aina betsaka ny toekarem-pirenena amin’ny ankapobeny. Noho ny mbola fikatonan’ny sisin-tany, araka izany, dia paikady maro no apetraky ny minisitera misahana ny Fizahantany amin’ny fampiroboroboana indray ny fizahantany anatiny, ary hatomboka amin’ny eto amin’ny Faritra Analamanga izany.

Saika ireo mpizahatany vahiny hatrany matetika no tonga mitsidika ireo toerana manan-danja sy manan-tantara eto amintsika, isan’izany ny eto amin’ny Faritra Analamanga. Amin’ny ankapobeny, ny tsy fahafantarana ny maha zava-dehibe ny toerana iray, sy ny tsy fahampiana amin’ny enti-manana matetika no tsy mampiraika ny teratany malagasy mitsidika ireny toerana manan-tantara ireny. Ny 75%-n’ireo mpisehatra ara-pizahantany anefa dia eto Antananarivo avokoa, hoy ny fanazavan-dRakotoniaina Yves Maurice, tale jenerelin’ny Fizahantany. Ny 56%-n’ny fahatongavan’ireo mpizahatany iraisam-pirenena koa dia eto Antananarivo avokoa. Rariny dia rariny tokoa, araka izany, raha eto amin’ny Faritra Analamanga no hisantarana ny politika fampiroboroboana ny fizahantany anatiny. Isany paikady voalohan’ny napetraky ny Fanjakana, noho izany, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fizahantany, Fitaterana, ary Famantarana  ny toetrandro, ny fanaovana fihenam-bidy hatramin’ny 10% ireo tolotra ara-pizahantany rehetra, ataon’ireo mpandraharaha. Tanjona ny hifandrifian’ny tolotra amin’ny fahefa-mividin’ny teratany malagasy, ka mba tsy ho sakana intsony ny ara-bola.

Dian-tongotra mitety ny vohitra masina 12

Ankoatra izay, nisy fanampiana ara-bola mitentina 150 tapitrisa ariary nomen’ny minisitera ny ofisy rejionaly misahana ny fizahantany eto Antananarivo (Ortana), mba hahafahany mamolavola paikady mahomby amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany anatiny eto amin’ny Faritra Analamanga. Eo anatrehan’izany, naompan’ny Ortana tamin’ny fanaovana fotodrafitrasa hahafahana manatanteraka dian-tongotra na randonnée eto Antananarivo ny ampahany betsaka tamin’ity famatsiam-bola ity. Noho izany, hisy ny randonnée hiantsoana fandraisana anjaran’ny rehetra ny 20-21-22 Novambra 2020 izao. Mahatratra 182 km ny halavan’ny dian-tongotra hatao, izay miainga avy eny Ambohimanga, ary mitety ireo vohitra masina 12 eto Antananarivo. Nanambara ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Ortana fa vinavinaina ho 10 km isanandro eo no vitan’ny mpandray anjara iray, ka tombanana ho sivy andro, araka izany, no hamitana io halavirana 182km io. Efa mipetraka avokoa ny fotodrafitrasa sy ny mari-pamantarana (balises) rehetra hahafahana manatanteraka ny dian-tongotra. Ary efa nisy mialoha ny fiarahamiasa any amin’ireo toerana handalovana tsirairay avy amin’ny mety ho fijanon’ny mpandray anjara any an-toerana.

Fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra

Isany teboka lehibe tiana hasongadina ao anatin’ity tetikasa ity ihany koa ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Rehefa tombanana tokoa mantsy ny fandaniana mety ataon’ny mpandray anjara iray isaky ny toerana lalovana, dia manodidina ny 60 000 Ariary eo no fandaniana tsy maintsy ataony. Tafiditra anatin’izany ny fividianana ny voan-dalana, ny sakafo, sy ny maro samihafa, hoy ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Ortana. Tsara ho fantatra fa fanombohana ihany ny eto amin’ny Faritra Analamanga fa hiitatra amin’ny Faritra rehetra eto Madagasikara izany. Isany efa mamolavola ny azy izao ny Faritra Menabe sy ny ao Sainte Marie, hoy ny fanazavana. Izany hoe, hisy karazana fifaninanana eo amin’ny samy faritra ao anatin’ity politika fampiroboroboana ny fizahantany anatiny ity. Izany dia miainga amin’izay singa mampalaza sy hahafantarana ny Faritra tsirairay avy ihany.

Firenena folo tsy mahazo miditra eto Madagasikara

Tsy mbola mahazo alalana miditra eto Madagasikara ny sidina avy amin’ireo firenena folo anisany mbola ahitana ny firongatry ny valanaretina Covid-19, araka ny naoty navoakan’ny Aviation civile de Madagascar (ACM). Tafiditra ao anatin’izany Allemagne – Belgique – Espagne- France – Italie – Pays-Bas – Pologne – Royaume-Unie – Russie – Ukraine. Izany fanapahan-kevitra izany dia fampiharana izay nolazain’ny Filoha ny alahady 18 Oktobra lasa teo. Na izany aza, azon’ireo mpizahantany hihazo an’i Nosy Be atao ny miditra ao an-toerana saingy tsy afaka mivoaka ny faritra hafa izy ireo, araka ny lamina efa napetraka hatramin’ny voalohany.

Fermer