PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FANARENANA TAORIAN’NY RIVODOZA – FARAFANGANA : Fananana iombonana roa tafarina tao anatin’ny 48ora noho ny Tagnamaro
Tolo-kevitry ny Filoham-pirenena ny hanaovan’ireo Minisitera rehetra fanarenana amin’ny alalan’ny Tagnamaro izay iarahan’izy ireo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, taorian’ny fandalovan’ireny rivodoza nifanesy teto amintsika ireny. Ho an’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina foibe, nisongadina ny asa vita ny herinandro teo. Vita tanteraka ny asa fanarenana ny ivon-toerana misy ny TVM sy RNM, sy ny CSB II tao Farafangana tao anatin’ny 48ora monja.
“Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena”. Kolontsaina maro no tiana hofohazina indray ao anatin’ny fanatanterahana io hetsika io. Isan’izany ny firaisankina, fiaraha-mientana, vali-tanana, fifanampiana sy ny sisa. Amin’izao vanim-potoana hisiana Faritra maro tra-pahavoazana noho ny rivodoza izao, dia nanolo-kevitra ny hanaovan’ireo Minisitera rehetra fanarenana amin’ny alalan’ny Tagnamaro ny Filoham-pirenana ka iarahan’izy ireo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izany, araka ny filankevitry ny Minisitra natao ny Alakamisy 10 Febroary 2022 teo. Ny Tagnamaro izay hahavitana manarina fotodrafitrasa ao anatin’ny fotoana fohy, sady aingana, kanefa tsy mandany vola, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Voaporofo indrindra izany nandritra ny hetsika nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina foibe tao Farafangana, renivohitry ny Faritra Atsimo Atsinanana, ny herinandro teo.
Ny andro voalohany dia nisy ny fanamboarana ny foiben-toeran’ny RNM sy TVM ao Farafangana izay tafaverina amin’ny endriny vaovao indray. Ho an’ny ivo-toerana misy ny TVM sy ny RNM dia nosoloina iray manontolo ny tafo, ny valan-drihana. Naverina nolokoina ny anatiny sy ivelan’ny trano. Nasiam-panatsarana ihany koa ireo varavaran-kely sy varavaram-be. Naverina natsangana koa ny fefy manodidina. Nandray anjara tamin’ity hetsika ity ireo tomponandraiki-panjakana ao Farafangana notarihin’ny Governoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana, ireo mpilatsaka an-tsitrapo fa indrindra ireo fokonolona tao an-toerana. Tapak’andro monja, araka izany, dia nahavitana ny fanarenana noho ny fahavitrihan’ny olom-pirenena niara-nientana nanao ny Tagnamaro.
Fanarenana ny CSB II Farafangana
Ny andro faharoa kosa dia ny fananganana ny CSB II tao Farafangana indray no niarahan’ny rehetra nisalahy. Niara-nifanome tanana tamin’izany ihany koa ny Zandarmariam-pirenena sy ny Fitaleavam-paritry ny fitantanana ny fonja (DRAP) izay nahatonga solotena maro. Niavaka ny fiaraha-mientana satria goavana be ny asa izay natao noho ny habetsahan’ny fahavoazana vokatry ny rivodoza, sady lehibe rahateo ity CSB Farafangana ity. Naharitra tontolo andro araka izany ny Tagnamaro natao. Ity fanarenana ny CSB Farafangana ity, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, no isan’ny asa goavana indrindra, tamin’ireo Tagnamaro efa natao hatramin’izay.
Ny faran’ny herinandro teo, niaraka nijery ny vokatry ny « Tagnamaro Manokana Fanarenana » ny CSB II Farafangana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo sy ny Minisitra mpiahy ny Faritra Atsimo Atsinanana, Ramatoa Gisèle Ranampy Minisitry Asam-panjakana ny Asa ary ny fampananana asa no sady Minisitry ny Fitsarana mpisolo toerana sy ireo mpiara-miasa aminy. Nitondra ny teny fisaorana avy amin’ny vahoakan’ny Farafangana amin’izao nahavitana ny fanarenana ny CSB II ho an’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izao Ramatoa Minisitra mpiahy ny Faritra Atsimo Atsinanana, Gisèle Ranampy. Nambarany nandritra ny fandraisany fitenenana ihany koa fa afa-po tanteraka ny tenany satria dia niverina ho toy ny vaovao ny CSB Farafangana taorian’ny Tagnamaro fanarenana natao ary izany dia tao anatin’ny 3 andro monja nandalovan’ny delegasion’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tany an-toerana. Nisy ny fiarahan’ny Minisitra roa tonta nametraka ny takelaka fanamarihana ity Tagnamaro fanarenana manokana teto Farafangana ity.




