PolitikaSongadim-baovao

FANARENANA TAORIAN’NY RIVODOZA : Niantso ny firaisankinan’ny Governemanta ny Filoham-pirenena

Nisongadina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly, araka ny tatitra, ny nanentanan’ny Filoham-pirenena ny amin’ny tokony hisian’ny firaisankina lehibe na « élan de solidarité » ato anatin’ny Governemanta Malagasy sy miaraka amin’ireo tompon’andraikitra rehetra manerana an’I Madagasikara. Izany izay mifandraika indrindra amin’ny ezaka fanafainganana ny fandefasana sy fizarana ireo fanampiana rehetra dia ny Vatsy Tsinjo sy ny Tosika Fameno any amin’ ireo mponina traboina any amin’ireo faritra izay tena voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza. Araka ny toromariky ny Filoha, ireo Minisitra rehetra, izay hiparitaka hiasa manomboka anio zoma 11 febroary any amin’ireo faritra rehetra hiadidiany (ministres coach), no hisahana izany. Nohamafisin’ny Filoham-pirenena hatrany fa ilaina ny fametrahana fandrindran’asa (coordination) sy fametrahana fahaiza-mitarika (Leadership) ao anatin’ity asa lehibe fanarenana ity. Hapetraka ny paikady ahafahana mamatsy ireo zavatra rehetra ilaina amin’ny andavanandro ireo faritra rehetra izay tena voa mafy indrindra ireo lasa mitoka-monina.

Fepetra samihafa

Nanolo-kevitra ny hanaovan’ireo Minisitera rehetra fanarenana amin’ny alalan’ny asa Tagnamaro ihany koa ny Filoham-pirenena ka iarahan’izy ireo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izany. Notsindriana ihany koa fa ilaina ny « inventaires des dégâts » amin’ny sehatra sy ny faritra rehetra, isan’izany indrindra indrindra ny sehatry ny fambolena izay nahitam-pahavoazana lehibe ihany koa. Rehefa vonona izany dia haroso hakana fankatoavan’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ny mikasika ny famaritana sy fandefasana ireo fanampiana any an-toerana. Ankoatra izay, ny « réseau ferroviaire » amin’ny faritra Avaratra no tena nitondra takaitra lehibe noho ny fandalovan’ny Rivodoza Ana sy Batsirai. Misy kaominina 6 lasa nitoka-monina ankehitriny vokatry ny fahatapahan’ny fitaterana TCE- Tana Côte-Est izay tapaka kanefa tsy misy lalana 2 ahafahan’ny fiara tonga any antoerana. Nanome toromarika ny hanaovana fanombanana ny saran’izay fanarenana izany ny Filoham-Pirenena. Etsy ankilany, maro ihany koa ireo Fiangonana no potika vokatry ny fandalovan’ity rivodoza ity ka tsy hitazam-potsiny ny Fitondram-panjakana manoloana izany fa hanampy tsy asiam-panavahana amin’ny fanarenena ireo rava. “Ireo Fiangonana nitondra takaitra vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai ka mila fanampiana amin’ny fanarenena dia afaka mametraka fangatahana ao amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra hoy ny Filoham-pirenena hahafahana manampy azy ireo”, hoy ny Filankevitry ny Minisitra. Voaresaka tao amin’ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa fa tokony hamafisina ireo fepetra horaisina ahafahana misoroka sy manasazy ny fanodinkodinana ireo fanampiana voatokana ho an’ny traboina.

Fermer