Songadim-baovaoSosialy

FANASANA NITERA-DOZA TAO AMBOSITRA: Tafakatra 11 ireo matin’ny fahapoizinana ara-tsakafo

Mbola tsy mikatona akory ny ferin’ny voina manjo ny mpianakavy maro tratran’ilay famonoana vokatry ny poizina natao tanaty sakafo teto amin’ny Faritra Analamanga, teny Imerinkasinina, dia izao indray fa maro no efa nodimandry vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo mitranga ao Ambositra, Faritra Amoron’i Mania. Olona miisa 11 no maty hatramin’ny omaly hariva tao Ambositra, vokatr’io tranga fanapoizinana ara-tsakafo io…

Tafakatra 11 ny isan’ny olona maty noho ny fahapoizinana ara-tsakafo nitranga tao Ambositra, Faritra Amoron’i Mania, hatramin’ny omaly hariva. Tranga izay niseho taorian’ny fiaraha-mikoranan’ny fianakaviana iray nisy ankizy noraisina Komonio I, ny faran’ny herinandro lasa teo. Niakatra tsikelikely io antontanisa raha ny tatitra avy any an-toerana. Omaly maraina dia 07 no voalazan’ny tatitra ofisialy fa nodimandry. Omaly antoandro niakatra ho 08 izany, ary io tafakatra 11 io omaly hariva, raha ny fampitam-baovao ofisialy hatrany. Misy olona 13 kosa, mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana, ary voalaza fa anisan’izany ilay ankizy noraisina Komonio I, izay voalaza tao anatin’izany fa anatin’ny fiadiana aina. Miisa 24 olona ireo narary noraisina an-tanana tao amin’ny hopitaly Ambositra, tamin’io fanasana nitera-doza io, ary misy tamin’izany ireo nakarina eto Antananarivo, eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, raha ny fantatra.

Mandray an-tanana haingana ny Fitondram-panjakana

Omaly ihany dia nakarina teto Antananarivo ireo sakafo izay heverina ho mety nampidi-doza tao anatin’io fanasana io, toy ny menaka, lafarina, “mayonnaise”, ary “mortadelle”, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny Fahasalamam-bahoaka. Heverina araka izany, fa ho hita tsy ho ela ireo singa tanaty sakafo mety nahatonga izao loza tao Ambositra izao. Omaly io ihany dia tonga tany an-toerana ireo iraky ny Filoham-pirenena avy amin’ny Governemanta, nanatrika sy nandray andraikitra mikasika ny zava-misy tany an-toerana. Hita tao anatin’izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanatany Zely, izay nilaza fa efa fantampantatra ny sakafo mety nahatonga izao voina tao an-toerana izao, ary hivoaka tsy ho ela ihany koa ny valin’ny fitiliana atao eto Antananarivo. Toy ny tranga teto Antananarivo nitarika fampidirana hopitaly olona maro toy izao, dia nohamafisiny fa maimaim-poana avokoa ny fandraisana an-tanana ireo marary, noho ny fisian’ny “Fond d’urgence” eny anivon’ny hopitalim-panjakana, hahafahana mandray an-tanana haingana ireo marary. Andrasana ny tohin’ity tranga ao Ambositra ity. Ho an’ny tranga teny Imerinkasinina indray, dia fantatra omaly, fa nitombo ireo olona maty, ka lasa 22. Efa tany an-toerana mialoha moa, ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Fomendraza Haingo Elisette.

 

Fanazavan’ny Minisiteran’ny Varotra

Nambaran’ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra fa mbola tsy nisy singa na zava-pihinana izay noresahana sy heverina ho lany daty anatin’ireny tranga samihafa ireny. Nohamafisiny fa tahaka ny asa efa mahazatra isanandro dia nisy avy hatrany ny fanadihadiana sy fandraisana andraikitra rehefa nahita ny vaovao niely tamin’ny tambajotra sosialy. « Hatramin’ny andro androany dia mbola tsy voamarina ny filazana fa misy menaka mavesatra nahodina ho lasa menaka ho hanin’olombelona », hoy ny Tale Ravelonarivo Ando tetsy Ambohidahy. Teo koa moa ny Tale jeneraly lefitry ny Jirama misahana ny Famatsiana solika sy menaka, Francesca Andriamampionona nandiso tanteraka ny resaka fahaverezana menaka mavesatra tao amin’ny orinasa.

Ankoatr’izay, ny menaka rehetra amidy, vokarina eto an-toerana, dia nahazoana fanamarinana ho azo hohanina (« certificat de consommabilité ») sy fahazoan-dalana ho azo varotana (« autorisation de mise en commercialisation ») avokoa.

Mahakasika ny fahapoizinana ara-tsakafo (intoxication alimentaire) tany amin’ny faritra Boeny na tany amin’ny faritra Amoron’i Mania dia ny mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny ekipa rehetra eny ifotony mamantatra ny zava-nisy marina sy ny zava-nitranga rehetra nahatonga an’izany.

Fepetra noraisina ny famerenana fakana singa avy amin’ny menaka ho tiliana any amin’ny laboratoara. Ny Minisiteran’ny Varotra manokana dia nanokatra ny Laharana maitso 961 hifandraisana amin’ny mpanjifa sy ny olom-pirenena rehetra manerana an’i Madagasikara, ahafahana mampita ny fitarainana sy zavatra mampiahiahy antsika eny anivon’ny tsena na eny amin’ny fiaraha-monina.

Stan R.

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer