PolitikaSongadim-baovao
FANATANTERAHANA NY « PLAN EMERGENCE MADAGASCAR » : Hampitoviana ny fomba fijery eo amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjarampahefana
Tonga nanome voninahitra sy nanokatra amin'ny fomba ofisialy ny fivoriana izay hifanakalozan'ireo governora rehetra sy ireo ben'ny tanàna manerana ny Nosy, tao Antsirabe, ny Praiminisitra, Lehiben'ny governemanta Ntsay Christian, omaly. Fihaonana natao indrindra hampitoviana fomba fijery eo amin’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, sy ho fanatsarana ny fomba fiasa ihany koa.
Fotoana natokana hifanakalozana sy hampitoviana ny fomba fijery amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ny fikaonan-doha izay tanterahina ao Antsirabe amin’izao fotoana izao, izay handraisan’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny anjara. Izany no natao dia mba hanamafisana ny fanatanterahana ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny tombontsoa iombonana sy ho fanarenana ny fahatarana eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Nitarika ity fikaonan-doha nanomboka omaly ity ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta. Nandritra izany no nanindriany teboka telo lehibe. Voalohany amin’izany ny fanomezan-danja ny fampandrosoana ka mba hahatongavana, amin’izay hoy izy, dia mila rindran-damina mazava, firaisan-tsaina ary fampivondronana ny hery amin’ny fanatanterahana ny andraikitra apetraka amin’ny tsirairay na olom-boatendry izany na olom-boafidy. “Ny governora, ny ben’ny tanàna ary ireo ao amin’ny lafin-tany dia mpisehatra goavana amin’izany asa fampandrosoana izany ka fotoana izao handaminana ny fomba fiasa hanafainganana bebe kokoa ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy hatrany ny Praiminisitra.
Fifamenoana andraikitra
Noresahan’ny Praiminisitra koa ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana ho fanatrarana ny tanjona napetraky ny Filoham-pirenena, izay miankina amin’ny » fandrindràna ny fampitoviana lenta ny asam-pampandrosoana ny Faritra rehetra », ka izay indrindra no maha zava-dehibe ny andraikitry ny governora isam-paritra. Nomena ampaham-pahefana izy ireny hanamora ny fiantraikan’ny fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana ka hipaka mivantana eny anivon’ireo kaominina rehetra eto Madagasikara ary natao hiara-hiasa amin’ireo lehibena sampan-draharaha isam-paritra ihany koa izy ireny. Misy ihany koa ny fifamenoana andraikitra eo amin’izy ireo sy ny ben’ny tanàna izay mahalala ny filàna sy ny laharampahamehana eny ifotony, indrindra amin’ny resaka fotodrafitrasa. Antony hanatsaràna hatrany ny tetibola sy ny fampitaovana ny eny anivon’ny Faritra.
Ary farany dia noresahin’ny Praiminisitra koa ny fanatsarana fomba fiasa eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Isan’izany ny fidirana amin’ny « digitalisation » sy ny fanavaozana ny raharaham-panjakana.
Nanipika ny maha-zava-dehibe ny fanomezana fahefana ireo tompon’andraikitra ifotony Atoa Praiministra nandritra ny lahateny fanokafana izay nataony, ary tsy maintsy mifanindran-dalana amin’izany ny fanomezana azy ireo ny enti-manana hiasany. Efa manao izany ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny fampitomboana ny vola tohana na « subventions » omena ny kaominina sy ny faritra. Izany hoy izy no fitsinjaram-pahefana tena izy.
Governora miisa 23
Marihina fa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Atoa Ntsay Christian no nitarika ny fotoana ary notronin’ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin’ny Governemanta, ary anisan’izany ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo amin’ny maha-minisitra mpiahy azy ny Faritra Vakinankaratra.
Manatrika ity fikaonandoha ity ireo governora miisa 23, ireo préfets, ireo lehiben’ny distrika, ary ireo ben’ny tanana maro izay misolo tena ny lafivalon’ny Nosy. Manana solotena koa ny avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika izay misahana ny tetik’asa fanohanana ny fanatsarana ny raharaham-panjakana (Projet d’appui à l’amélioration de la performance du service public- PRODIGY). Anisan’ny lohahevitra lehibe hodinihana mantsy ny firosoan’ny fitantanan-draharaham-panjakana ankehitriny amin’ny « digitalisation » ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano « Modernisation de l’administration ». Haharitra 2 andro ny fikaonandoha, ka ny andro faharoa anio dia ireo olom-boatendry avy amin’ny fanapariaham-pahefana, toy ireo Talem-paritra samihafa no handray anjara.




