PolitikaSongadim-baovao
FANATANTERAHANA NY POLITIKAM-PANJAKANA : Miadam-pandeha ireo Mpanatanteraka sasany
Matetika dia ny Filohan’ny Repoblika mivantana hatrany no voatorabato rehefa misy tsy fahatomombanana miseho eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fitantanana ny firenena amin’ny ankapobeny. Matoa anefa napetraka ireny tomponandraikitra isaky ny departemanta ministerialy isan-tsokajiny ireny dia midika fa tsy ny Filoha irery no tokony hanao ny asa fa misy olombelona hafa tokony hisahana izany. Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, mpanao politika miara-dia amin’ny Fitondrana, dia nilaza mahitsy mihitsy ny herinandro lasa teo fa tsy ampy tohana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ankehitriny. « Hamafisiko io teniko io. Ireo rehetra nomena andraikitra, na olom-boatendry na olom-boafidy isan’ambaratongany avy dia mila miasa haingana kokoa araka ny lalan-kizorana efa nofaritan’ny Filohan’ny Repoblika », hoy ny fanazavany. Notsindriany fa ny olom-boatendry manomboka any amin’ny Governemanta, vantany vao notendrena dia efa nampahafantarina azy ireo ny vinan’ny Filoha ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) sy ny paikady hanatanterahana azy, dia anjaran’izy ireo ny manatanteraka izany. Niaiky ity mpanao politika miara-dia amin’ny Fitondrana ity fa efa mazava be ny toromarika nomena, saingy miadam-pandeha ny sasany amin’ny fanatanterahana. Marihina fa tsy izy rehetra fa misy ihany kosa no tena miasa. Toy izany koa ny Governora any amin’ny faritra, misy tena tsy hita izay asany fa ny mitady tombontsoa no mahamaika azy ireo. Raha ny zava-misy eo anivon’ny Governemanta no asian-teny, dia misy ireo tena miasa, ary mahita vokatra amin’ny departemanta iantsorohany. Misy indray ireo milaza ho miasa mangina fa tsy tia manao serasera. Mampametra-panontaniana ihany anefa izany satria ny vahoaka dia manan-jo hahalala izay asa ataon’ny Governemanta. Rehefa tsy fantatry ny vahoaka ny asa atao dia naman’ny tsy nanao. Ankoatra izay, misy amin’ireo mpikamban’ny Governemanta sasany izay tsy fantatry ny mpanara-baovao akory na ny anarany aza. Tahotry ny ho voaenjika ve ? Ny eto amintsika tokoa mantsy toa izay miasa hatrany voaenjika! Tokony ho efa mivonona amin’izany anefa matoa notendrena ho Minisitra amin’ny maha toerana politika izany, na dia teknisianina aza ilay olona.
LR.




