SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FANATSARANA NY FAMPIDIRANA AN-TSEKOLY: Paikady maro no hapetraky ny Fanjakana

Mbola fanamby lehibe ho an’I Madagasikara ny fampiakarana ny tahan’ny fampidirana an-tsekoly ho an’ireo zaza malagasy. Raha antontanisa no asianteny dia tena mbola ambony dia ambony ny tahan’ny tsy fampidirana an-tsekoly ny zaza io eto amintsika. Antony maro no mahatonga izany, araka ny fanadihadiana. Ny resaka tsy fahampiana ara-bola eo amin’ireo ray aman-dreny, olana amin’ny fotodrafitrasa, olana eo amin’ny fitantanana ankapoben’ny fanabeazana, sy ny sisa maro hafa koa. Vonona hametraka fanamby amin’ny fanatsarana sy ny fampiakarana ny tahan’io fampidirana an-tsekoly io ny Fitondram-panjakana ankehitriny, amin’ny alalan’ireo paikady maro efa mipetraka. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fitaovam-pianarana ireo ankizy, toy izay natao tao amin’ny sekoly EPP Haute Ville Antsohihy, omaly. Mpianatra miisa 1052 mantsy no nisitraka ny kits scolaires- fitaovam-pianarana feno avy amin’ny Filoha Andry Rajoelina tao amin’ity sekoly ity. Feno ny fitaovampianarana nozaraina ho an’ny mpianatra izay ahitana tablier, cahier, trousses, crayon de couleurs, kitapo sy kojakoja samihafa. Notsindrian’ny Filoha manokana ny maha- zava-dehibe ny fampidirana ny « gourdes » ao anatin’ny kits scolaires amin’izao. Ilaina ny fanomezana rano fisotro ho an’ny ankizy mandritra ny tontolo andro ianarana, ka antony nampidirana manokana ny gourdes amin’ny kits scolaires.

Fizarana Boky sy Rakibolana

Paikady hapetraky ny Fitondram-panjakana koa ny fizarana Boky fampianarana sy ny Rakibolana eny amin’ny sekolim-panjakana. Manamaivana ny fahasahiranan’ny ray amandreny amin’ny fandaniana amin’ny fividianana boky izany no lova maharitra azon’ny mpianatra hampiasaina eny anivon’ny sekoly koa. Ezaka nataon’ny Fanjakana hanatsarana sy hampiakarana ny tahan’ny fampianarana ihany koa ny fanafoanana ny saran’ny fampidirana mianatra sy ny fametrahana ny Fotodrafitrasa manarapenitra eny amin’ny sekolim-panjakana. Efa nahitana fiakarany be ny tahan’ny mpianatra miditra antsekoly amin’izao taompianarana 2020-2021 izao, raha ny tatitra voarain’ny Filoha, na nahiana hampidina ny tahan’ny fidirana an-tsekoly aza aretina covid-19, araka ny fanazavana. Ho famporisihina ny ankizy hazoto hianatra hatrany, misokatra ny fifaninana amin’ny sekolimpanjakana amin’izao ho an’ireo kilasy T5. Hahazo fanomezana bisikileta avokoa ireo telo voalohany amin’ny fanadinana CEPE, araka ny fampanantenan’ny Filoha, izay fanomezana azo avy amin’ny Governemantan’i Inde. Nanamafy ny tokony hampianarana voambolana miainga amin’ny Rakibolana ireo mpianatra ny Filoha. Hahafahana manampy ny ankizy hahay haneho hevitra sy ho sahy hiteny ny famakiana isanandro sy fampianarana ny Rakibolana.

Fermer