PolitikaSongadim-baovao

FANATSARANA NY FARI-PIAINAN’NY MALAGASY : Tsy mihemotra amin’ny tsikera sy ny fanenjehana ny Filoha Rajoelina

Nahitsy ny Filoha Andry Rajoelina raha nandray fitenenana, tamin’ny fanombohana ny fambole-kazo, omaly. « Tsy mampihemotra ahy, fa vao mainka angovo entina anamafisana ny asa sy ny ezaka fampandrosoana an’i Madagasikara ireo tsikera sy sakana ezahin’ny mpanohitra apetraka. Isika kapaina vao mainka maniry, hitsahina vao mainka mitsiry, haratsiana vao mainka mamokatra. Reny fanaratsiana ireny dia ohatra ny zezika afafy, tsy mampihontsina fa isika tsy maintsy mandroso ary mampandroso », hoy izy. Ny tsy manao ihany no be tsikera. Ny tsy mahavita no be fanakianana, hoy hatrany ny Filoham-pirenena. Nomarihiny fa tetikasa maharitra, mipaka mivantana amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny isan-tokantrano, ary koa mitondra fampandrosoana maharitra no apetraky ny Fitondram-panjakana. “Ny zavatra amboarintsika androany dia ohatra ny mamboly hazo androany. Betsaka no maneso anao, hoe io zanakazo na io voa kely io ve dia mba haniry, oviana io vao ho lehibe ? Rehefa miaraka amin’ny Filoha, ny zavatra volentsika sy aorintsika androany, ny olona maneso antsika androany, ireny no ho gaga rahampitso fa tsy maintsy ho vita ny lalamby sy ny « autoroute » ary tsy maintsy hitombo ny ala eto Andekaleka”, hoy hatrany ny Filoham-pirenena. “Minoa ahy ianareo fa raha ireo tetikasa ataontsika, afaka fotoana vitsy dia tsy maintsy mandroso i Madagasikara ary hihatsara ny fari-piainan’ny Malagasy”, hoy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina. namarana ny lahateniny.
Adidy masina ny fambolen-kazo…
Nanao antso avo ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny olom-pirenena tsy ankanavaka. « Na ianareo olon-tsotra na ianareo mpiasam-panjakana, na ianareo ankizy na ianareo mpianatra, na isika tomponandraikitra rehetra na ny antoko politika. Tsy any amin’ny tsikera no tokony ho atao fa andao hamboly hazo, hampisehoy ny vahoaka hoe tia ny vahoaka ianareo, hoe tia vahoaka isik. Arovy ny ala ary mambole hazo. Izao no antso avo ataoko amintsika tsirairay avy », hoy izy. Adidy masina ho tanterahintsika ho an’ny taranaka fara aman-dimby izany. Ny fiarovana ny ala dia fiarovana ny aina. Aty fiarovana ny ain’ny firenena. Apetraka ny fanamby. Hifanome tanana isika, hoy izy, ary ho tanteraka ny vina, dia ny hoe Madagasikara maitso, maharitra ary mamokatra. Araka ny tenintsika Malagasy hoe : « izay mitambatra vato, izay misaraka fasika ». Nasongadiny fa rehefa mitambatra Isika, tsy azo hozongozonina, tsy azo potehina, ary saropiaro amin’izany, satria mila filaminana mila marin-toerana, ary izay ihany no fomba ahafahana mampandroso ny Firenena.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer