Songadim-baovaoToekarena
FANATSARANA NY FITANTANANA ANY IFOTONY: Miatrika fiofanana ireo Ben’ny tanàna ao Vakinankaratra
Tranga heno miverimberina hatrany tato ho ato ny fanagadrana ben’ny tanàna noho ny olana ara-pitantanana misy eny anivon’ny Kaominina. Ny ankamaroan’izy ireny anefa dia heloka tsy niniana natao fa vokatry ny tsy fahafehezana ny lafiny fitantanana amin’ny ankapobeny, indrindra moa ny fitantanan-draharaham-panjakana izay misy lalàna mifehy azy. Eo koa ny fitantanam-bolam-panjakana. Izay indrindra no maha zava-dehibe ny fanomezana fampiofanana ireo ben’ny tanàna, hoy ny Loholon’i Madagasikara Lalatiana Rakotondrazafy tao Antsirabe. Efa natomboka tamin’ireo Ben’ny tanàna mandrafitra ny distrikan’i Manjakandriana ity fampiofanana ity, ka tohin‘izany ihany ity atao ao Antsirabe ity, izay marihina fa tsy mijanona ho fampianarana teorika sy ara-taratasy fotsiny fa ampifanarahana tanteraka amin’izay zavatra iainan’ireo ben’ny tanàna any ifotony mihitsy, araka ny fanazavan’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy hatrany.
Araka izany, natomboka omaly 5 marsa tao amin’ny efitrano malalaka Soanampiana, ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe ary haharitra roa andro ny fiofanan’ireo Ben’ny tanàna ao amin’ny Faritra Vakinankaratra. Nitarika sy nikarakara izany ny Loholon’i Madagasikara Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, sy ireo manampahefana isan-tsokajiny, isan’izany ny solombavambahoakan’Antsirabe I namana Désiré izay nanambara ny maha zava-dehibe izao fampiofanana izao satria ireto Ben’ny tanàna ireto no mpanatanteraka ny fampandrosoa eny ifotony. Vonona hiara-hiasa amin’izy ireo ny solombavambahoakan’Antsirabe I namana Désiré indrindra ny fijerena ny lafiny lalàna ahafahan’ireto Ben’ny tanàna ireto mitondra fampandrosoana tokoa eny anivon’ny kaominina misy azy ireo tsirairay avy.




