Songadim-baovaoSosialy
FANATSARANA NY TVM SY RNM: Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny tranonkalam-pifandraisan’ny ORTM
Tontosa tetsy amin’ny foiben’ny ORTM Anosy ny lanonana nentina nampahafantatra tamin’ny fomba ofisialy ny tranokalam-pifandraisan’ny ORTM. NIfanindran-dalana tamin’izany koa ny fanomezana ny mariboninahi-pirenena ho an’ireo mpiasa 16 mianadahy nahavita be tamin’ny asa teo anivon’ny Radiom-pirenena malagasy (RNM). Nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, notronin’ireo mpiara-miasa aminy.
Azon’ny rehetra atao manomboka izao no mitsidika ny tranonkalam-pifandraisan’ny ORTM www.ortm.mg, izay ahitana ireo vaovao rehetra mandeha amin’ny fahitalavi-pirenena TVM sy ny Onjampeon’ny Radio Madagasikara (RNM). Nisy ny hetsika fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy an’io Site Web io omaly, izay manokatra mankany amin’ny TVM sy RNM maoderina sy misokatra ho an’ny hafa. Vavahady voalohany misokatra amin’ny any ivelany ihany koa ny fametrahana izany tranokankala izany ary tafiditra hatrany ao anatin’ny fanatsarana entina, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo omaly, raha nanolotra izany. Araka ny fanampim-panazavana hatrany,
Ahafahana mihaino ny RNM on line ity tranonkala ity. Izany hoe, manaraka ireo fandaharana rehetra ary mijery ihany koa ny fandaharana vokarin’ny TVM. Ao anatin’ity tranokala ity ihany koa no hanomezana ireo vaovao farany misongadina. Dikany, raha misy olona sendra tsy naharaka na naheno ny vaovao tamin’ny fotoana fandehanany, dia azony atao manomboka izao ny mamerina mihaino izany ao amin’ny tranonkala www.ortm.mg. Ho an’ny TVM manokana dia efa mandeha any amin’ny Youtube ihany koa ny vaovao manomboka izao.
Betsaka ny asa natao
Nilaza ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa nandritra ny nitantanany ny Minisiteran’ny Serasera, izay miahy ny ORTM, dia nifanesy hatrany ireo hetsika rehetra nentina nampivoarana ity rantsana ity. Betsaka ny asa fananganana nivaingana sy ireo fanavaozana napetraka, na tao amin’ny RNM izany na ihany koa tao amin’ny TVM. Raha tsiahivina, vao tsy ela no natao ny fametrahana ny vato fototry ny asa fananganana ny Auditorium et Musée de l’Audiovisuel de Madagascar, izay eo amin’ny tokotaniben’ny ORTM no hametrahana azy. Fanamby goavana no noraisin’ny mpitantana izay namerina nampiaina sy nampiroborobo ny haino aman-jerim-pirenena.
Tsy atao sakana ny fanakianana
Nambaran-dRamatoa Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa hirosoana hatrany ny fanavaozana sy ny fanatsarana rehetra tokony hapetraka eo anivon’ny ORTM. Tsy hatao sakana amin’ny asa rehetra atao sy mbola hatao hanatsarana izany haino aman-jerim-pirenena izany ireo karazana fanakianana samihafa voizina amin’ny fanovam-pitantanana eo anivon’ny ORTM. “Pejy vaovao manomboka izao no hosokafana amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny RNM sy ny TVM” hoy Ramatoa Minisitra. Nisaotra ireo mpiara-miasa rehetra nahavita be tamin’ny asany ny Minisitra ary nankahery ihany koa ireo mpiasa aty aoriana mba hananana hatrany ny finiavana amin’ny asa izay atao.




