
KolontsainaPolitikaSongadim-baovao
FANAVAOZANA EO ANIVON’NY OMDA : Tsy marina ny filazana fa omena ny tsy miankina ny fitantanana
Manoloana ny resabe iniana aely momba ny fanavaozana entina eo anivon’ny Omda, namoaka fanambarana ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina omaly, fa tsy omena ny tsy miankina velively ny fitantanana ny Omda. Fiarahamiasa miompana amin’ny fanavaozana ho maoderina ny fitantanana ny zon’ny mpamorona no hiarahana amin’ny Orinasa Manoova, raha ny fanazavana. Efa natomboka rahateo ny fanangonana ny sanganasan’ireo mpanakanto izay ho ampidirina ao anatin’ny rindram-baiko.
Rantsa-mangaika ao anatin’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina ny « Office Malagasy du Droit d’Auteur » na ny Omda, ary manana anjara andraikitra amin’ny fomba fandrindrana ny iraka ankinina ao anatin’izany amin’ny maha mpiahy ara-teknika azy, ny Minisitera. Araka ny fanambaran’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina omaly, tsy manana endrika orinasan’ny mpamorona ny Omda ka tsy ireo mpamorona mpikambana no mahefa manapaka amin’ny fomba fandaminana sy fampandehanan-draharaha ao anatiny. « Fanatsarana ny fampandehanan-draharaha no atao, fa tsy tokony havadika ny resaka amin’ny hoe omena ny tsy miankina ny fitantanana » hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, raha nanazava ny fifanaraham-piarahamiasa teo amin’ny Minisitera sy ny Orinasa MANOOVA, izay ambaran’ireo mpanakanto sasany fa fanomezana ny fitantanana ho an’ny tsy miankina. Nambaran’ny Minisitra fa tsy rafitra voafaritra ao anatin’ny Omda ihany koa ny sendika na ny fivoriambe (Assemblée Générale) ka tsy misy ny andinin-dalàna manome fahefana azy ireo hitondra fanapahan-kevitra ho fitantanana io rafi-panjakana io.
Sata sy ny fampandehanan-draharahan’ny Omda
Tsara ho fantatra fa efa voafaritra mazava ao amin’ny andininy faha-6 ao anatin’ny didim-panjakana lf-98-434 tamin’ny 16 jona 1998 nasiam-panovana tamin’ny didim- panjakana lf-2011-606 tamin’ny 27 septambra 2011 mikasika ny sata sy ny fampandehanan-draharahan’ny Office Malagasy du Droit d’Auteur ny andraikitra sahanin’ny Filan-kevim-pitantanana. Tsy tafiditra ao anatin’izany ny mikasika ny fampihodinan-draharaha’ny Omda izay asiam-panavaozana ankehitriny, ka anton’ny fifanarahana nifanaovana tamin’ny orinasa MANOOVA. Fifanarahana mikendry ny hametrahana ny rindram-baiko, entina hanatsarana ny fomba fitsinjarana ny tamberim-bola ho an’ny mpamorona (na droit d’auteur) amin’ny fomba mangarahara, ary tsy manova ireo fepetra fisitrahana manan-kery efa tinapaky ny Filankevi-pitantanana eo anivon’ny Omda.
Etsy ankilany, nilaza ny eo anivon’ny Ministera fa tsy nahare ny fisian’ny fivoriambe mety ho nanapahan’ny « sendikan’ny artista » hevitra hanohitra ny fanavaozana tiana hapetraka. « Tokony hanome hevitra na tetikasa hafa ireo tsy mankasitraka ny fanovana, mba ahafahan’ny artista rehetra manao safidy malalaka ny amin’izay hitany fa tena afaka hanatsara ny fitantanana ny zony », hoy ny fanambarana.
www.omda.io
Marihina fa an-taonany maro no tsy afaka nandray ireo sanganasa intsony ny Omda noho ny tsy fahafahany mitahiry, araka ny tokony ho izy, ireo tahirin-kevitra tany aloha. Dingana lehibe voalohany amin’ny fanavaozana ny fanangonana ny sanganasa, izay antony hiantsoana ireo mpamorona mpikambana ao amin’ny Omda mba hanatitra ny sanganasany. Raisina avokoa ireo sanganasa rehetra na inona na inona nitahirizana azy ( vinyl, CD, DVD, Cassette, VHS, sns) ary havadika ho angona ara-kajimirindra hahafahana manaparitaka azy eran’izao tontolo izao mba hahazoan’ny mpamorona tombony misimisy kokoa. Azo atao koa ny mampiditra ny sanganasa efa manana endrika ara-kajimirindra ao amin’ny tranonkala www.omda.io izay misy sarany kely.
Nandritra ny fisokafan’ny fisoratana anarana teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy omaly Zoma 01 Jolay, nahatratra 1000 ireo nisoratra anarana, ary ireo artista amin’izao fotoana no tena betsaka. Ny saram-pidirana ho mpikambana vaovao ao amin’ny Omda sy ny saran’ny fametrahana sanganasa vaovao ao amin’ny Omda kosa dia tazomina araka izay efa tapaky ny Filankevi-pitantanana ihany.
Ranto Mamitiana (Mpianatra asa)




