PolitikaSongadim-baovao

FANAVAOZANA ISAN-TAONA NY LISITRY NY MPIFIDY: Miantso ny olom-pirenena hanamarina ny anarany eny amin’ny Fokontany ny Ceni

Manomboka isaky ny 01 desambra ka hatramin’ny 15 Mey isan-taona ny fanavaozana isan-taona ny Lisitry ny mpifidy tanterahin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Ho an’ity indray mitoraka ity dia efa miroso ny dingana fanatanterahana izany, ary efa miverina eny anivon’ny Fokontany indray ny lisitra nofaranana vonjimaika, mba hahafahan’ny olom-pirenena manamarina ny asa.

“Matetika ny olom-pirenena mihevitra fa mandritra ny fotoam-pifidianana ihany no manao ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ny Ceni. Marihina anefa fa ny lalàna manan-kery no mamaritra fa isan-taona dia manao fanavaozana ny lisitry ny Mpifidy ny Ceni. Tanterahina izany amin’ny alalan’ny fanoratana ny anaran’ireo olona nahafeno taona any anaty lisitry ny mpifidy, na ireo olona nifindra monina”, hoy ny Talen’ny Kabinetran’ny Filohan’ny Ceni, Fanahimanana Tiaray.

Efa vita ny fanoratana anarana, ary efa noferana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy, araka ny fanamafisana nataony. “Koa manentana antsika olom-pirenena, satria manana 20 andro eo isika handehanana manamarina ny anarana tsirairay, indrindra ireo vao nosoratana vaovao ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, mba hijery ny anarana eny amin’ny fokontany”, hoy hatrany fanazavana. Tsara ho fantatra fa 20 andro manomboka amin’ny ahatongavan’ny lisitra eny anivon’ny Fokontany no hahafahana manao ny fanamarihana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer