PolitikaSongadim-baovao

FANAVAOZANA NY TANANAN’I TOAMASINA : Nosokafana manontolo ny « Boulevard Ratsimilaho »

Natolotry ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny fomba ofisialy afakomaly, ny Boulevard Ratsimilaho. Vita tanteraka ny fanamboarana ity lalana mirefy 1,6 km ity, izay miainga eo amin’ny Lisea Jacques Rabemananjara hatreo amin’ny Hôtel Miou Miou. Famatsiam-bolan’ny fitondram-panjakana no nanaovana ny asa. Ny Filoha Andry Rajoelina no angady nanana sy vy nahitana ny fanamboarana ny Boulevard Ratsimilaho. Ny taona 2021 no natomboka ny asa. Ny 15 jona lasa teo no natolotra ny ampahany voalohany, ary nafaha-nanokatra amin’ny ampahany ny fifamoivoizana amin’ity lalana ity, izay efa simba nanomboka ny taona 1986. Miainga eo amin’ny Hopitaly Be ary tonga eo amin’ny Lisea Rabemananjary izany ampahany voalohany izany. Ny sabotsy teo, araka izany, nosokafana manontolo ny Boulevard Ratsimilaho. Natao ho fotodrafitrasa raitra, mafy sy maharitra ity « Boulevard Ratsimilaho » ity. Namboarina ahazaka ny sedran’ny toetry ny andro tahaka ny rivo-doza sy ny riakan-dranomasina. Ankoatra ny fanamboarana fotodrafitrasa, mariky ny fanavaozana ny tanànan’i Toamasina, ny fahavitan’ny Boulevard Ratsimilaho. Araka ny nambaran’ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard, dia ho amboarina koa ny tohin’ity lalana ity manomboka eo amin’ny Hopitaly Be hatrany amin’ny vavahadin’ny Port, ary efa mandeha ny asa.
Hanamboarana ny RN2
Manamafy ny fanatsarana ny endriky ny morontsirak’i Toamasina miaraka amin’ny tetikasa MIAMI, izay isan’ny mahasarika ireo mpizahatany sy mpiala sasatra tonga ao Toamasina izao fahavitan’ny Boulevard Ratsimilaho izao. Mitondra ainga vao amin’ny sehatry ny fihariana sy ny toekarena ao Toamasina koa izany, sy mitondra ainga vao amin’ny sehatry ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe.
Tsy kisendrasendra koa, hoy ny Filoha, no nanendrena ny olona avy ao Toamasina ho minisitry ny Asa vaventy. Satria eo no tsy maintsy anamboarana ny RN2, fa indrindra koa ny fanamboarana ny lalambe migodana Antananarivo – Toamasina. Izany rehetra izany, dia tsy resaka fotodrafitrasa fotsiny, fa mitondra vokatsoa lehibe ho an’ny sehatry ny fihariana sy ny toekarena. “Izay atombotsika tsy maintsy tokanantsika. Iza no mbola ilaza fa tsy mamiratra i Toamasina. Tsy mbola nisy asa tahaka izao natao teto Toamasina”, hoy ny Filoha Rajoelina. Nampiany fa “isika tsy naman’izay mihemotra”.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer