PolitikaSongadim-baovao

FANAVAOZANA TANTERAKA NY LISITRY NY MPIFIDY: Handalo fitsirihana indroa miantoana ny rindrambaiko ampiasain’ny Ceni

Mbola ivon’ny adihevitra eo amin’ny tontolo politika ankehitriny ny fahaleovantenan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) izay hikarakara ireo zotram-pifidianana rehetra hisy eto amin’ny firenena. Ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy hatreto no asa miandry ny Ceni voalohany. Araka ny nambaran’ny Filohan’ity rafitra ity, hisy ny fitsirihana indroa miantoana hatao amin’ny lisitra vaovao azo aorian’io fanavaozana tanteraka io. Tanjona amin’izany ny hisian’ny mangaraharaha sy ny fifampitokisana.

Tsy mihemotra intsony ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni amin’ny firosoana ny fanisana ny mpifidy manomboka rahampitso ao anatin’ny asa fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy (Refonte totale de la liste électorale). Ny 26 Septambra 2022 teo no naseho ireo teknisianina avy amin’ny Antoko Politika isan-tsokajiny  eto amin’ny firenena ny Rindrambaiko ampiasain’ny Ceni amin’izany fanavaozana tanteraka izany. Omaly kosa, anjaran’ireo mpitarika Antoko Politika sy Fiarahamonim-pirenena ary ireo Mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika no nampisehoana izany. Tamin’ny ankapobeny, tsy nisy nametraka olana tamin’ny Rindrambaiko izay ampiasain’ny Ceni ireo ankolafin-kery isan-tsokajiny ireo, na dia nisy ihany aza ireo nametraka ahiahy noho ny tsy nanoloan’ny Ceni ity Rindrambaiko ity. Araka ny nambaran’ny Tale misahana ny lafiny informatika sy ny teknolojia eo anivon’ny Ceni tokoa, dia ilay rindrambaiko efa nampiasaina tamin’ny 2012, sy 2018 ihany ity ampiasaina amin’izao fotoana ity. Efa nisy kosa, hoy izy, fanatsarana sy fanavaozana natao tamin’ilay Rindrambaiko mba tsy hiverenan’ny lesoka teo aloha intsony.

Fitsirihana ataon’ny OIF

Etsy ankilany, adihevitra mbola miverina hatrany mandrak’ankehitriny ny fahaleovantenan’ny Ceni amin’ny asa tanterahiny.  Izany fahaleovantena izany anefa no antoka hisian’ny fifidianana azo antoka, ary eken’ny rehetra, araka ny itovizan’ny fanehoan-kevitr’ireo nandray fitenenana omaly. « Avelao aloha izahay hiasa an-kalalahana fa aza alefa mialoha ny ahiahy. Araho maso ny fomba fiasanay ka raha misy fanakianana na fanamarihana tiana atao aminay dia raisinay an-tanan-droa izany », hoy ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène Andrianarisedo, raha namaly ireo fanamarihana ny tenany. Mahakasika ny fampiasana ny rindrambaiko amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy kosa, nambarany fa hisy fitsirihana na Audit indroa miantoana ny lisitra vaovao ho azo amin’izany. Ny voalohany dia mialohan’ny famaranana vonjimaika ny fanisana mpifidy. Ny faharoa kosa dia mialohan’ny fanakatonana tanteraka ny lisitra.  Ny eo anivon’ny Vondron’ny Firenena miteny na mampiasa amin’ny ampahany ny teny frantsay (OIF) no anisan’ny hanao izany fitsirihana izany. Ankoatra izany, milaza koa ny Ceni fa vonona handray ireo soso-kevitra hanatsarana ny fanatanterahana ity fanavaozana tanteraka ity. Ary koa, ireo fiarahamonim-pirenena misahana ny fanarahamaso ny fifidianana dia malalaka amin’ny fanatanterahana ny asan’izy ireo. Tanjona, hoy hatrany ny avy amin’ny Ceni, ny hahazoana fifidianana handraisan’ny rehetra anjara, azo antoka, ary mangarahara.

Fermer