PolitikaSongadim-baovao
FANAVAOZANA TANTERAKA NY LISITRY NY MPIFIDY: Miisa 1 137 929 hatreto ireo mpifidy voasoratra anarana
Am-perinasa tanteraka ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy (Refonte). Ao anatin’izany, tsy nataon’ny Ceni ho faralahy amin’ny fizarana vaovao momba ireo asa notanterahina ny mpanao politika. Ny zoma 28 Oktobra 2022 teo, nisy ny fampahafantarana azy ireo ny ezaka vita nandritra ny volana oktobra. Anton’izany fihaonana izany ny handravana ireo ahiahy tsy hihavanana rehetra amin’ny fanatanterahana ny asa mifandraika amin’izany. Teo koa ny fandraisana ny soso-kevitra handrindrana sy hahatomombana antsakany sy andavany ny asa. Mametraka hatrany ny fangaraharana sy ny tsy fitanilana ny CENI ka izany indrindra no nanehoana ampahabibemaso ny foto-kevitra ijoroany, ireo paikady hampandrosoana ny asa ary ny tarehimarika azo nandritra izay iray volana niasana izay. « Hatreto dia 1 137 929 izany hoe 8,37% no isan’ny mpifidy voasoratra anarana tamin’ny fitetezan’ireo mpanisa mpifidy tokantrano sy nanatona ny biraom-pokontany manerana ny faritany enina eto Madagasikara », hoy ny fanazavana. Raha tsiahivina dia ny faran’ny volana desambra izao no faran’ny fitetezan-trano ataon’ny komity ifotony mpanisa mpifidy. Ireo olompirenena izay tsy tratra an-trano kosa, dia afaka manatona fokontany na koa mametraka ny karapanondrony miaraka amin’ny taratasy fanomezan-dàlana ny olona ao an-tokantranony hahafahan’ireto farany manao sonia ny takelaka fanisana ny mpifidy amin’ny anarany.
“Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy, mba ho antoky ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fifidianana ho avy, koa manao antso avo hatrany amin’ny fandraisana andraikitry ny olompirenena tsirairay ny Ceni”, hoy ny fampitam-baovao.
Fanatsarana fomba fiasa
Etsy ankilany, ao anatin’ny fanatsarana fomba fiasa mikasika ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly ny Vaomieram-pirenena Misahana ny fifidianana (CENI) amin’izao fotoana izao. Araka ny nambaran’ny Filohan’ny Ceni Dama Andrianarisedo, dia misokatra ary miara-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana ny CENI. Manamafy izany ny Vina izay napetraka « zotram-pifidianana tsara omana sy andraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fitoniana sy ny filaminana ». Araka izany, nisy ny fiaraha-misakafo maraina niarahana tamin’ireo tomponandraikitry ny orinasan-tserasera sy fanaovan-gazety, ny alakamisy teo. Fihaonana izay nametrahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny CENI sy ny hainovakijery izany satria fantsona sy lalana hahatongavan’ny vaovao haingana mankany amin’ny olompirenena izy ireo, ary indrindra amin’ny fanabeazana sy fanentanana ny mpifidy hisitraka ny zony feno. Ny folakandro kosa dia ny fampitaovana « tablettes » ireo mpanisa mpifidy eto Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano ary Avaradrano. Tamin’izany no nampanantenan’Andriamatoa Filoha ny hanomezana tambin-karama fanampiny ho an’ireo mpanisa mpifidy izay mahatratra ny tanjona napetraka taminy. Amin’ny maha-solontenan’ny CENI ny rantsamangaika dia nisy ny fanaovana jeritodiky ny asa vita nandritra ny volana voalohany nanombohana ny fanisana mpifidy sy fandrindrana ny asa mbola miandry niarahana tamin’izy ireo.




