PolitikaSongadim-baovao

FANAVAOZANA TANTERAKA NY LISITRY NY MPIFIDY: Mpifidy 13 500 000 no kendrena hatramin’ny 31 Desambra

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 01 Oktobra 2022 teo ny fandraisana ny anaran’ireo olom-pirenena feno taona, ao anatin’ny asa fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, tarihin’ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Fanamby ny hampidirana mpifidy hatramin’ny 13 500 000 isa ao anatin’io lisitra vaovao io, araka ny fanazavana. Miankina amin’ny faharisihan’ny olom-pirenena kosa anefa ny hahatrarana izany, hoy ny Ceni.

Maharitra telo minitra eo ny fampidirana ny mombamomba ny mpifidy iray ao anatin’ny “tablette” na ny karine fandraisana ny anaran’ireo olom-pirenena feno taona ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, araka ny nambaran’ny “Agent recensceur” iray nanontaniana, ny sabotsy teo. Fanamby lehibe, araka izany, no ataon’ny Ceni amin’ny fahatrarana ireo olom-pirenena miisa 13 500 000 hampidirina ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Miisa 5 000 rahateo ireo mpanisa mpifidy na “Agent Recensceur” manao ny asa, ankoatra ireo Vaomiera mpanisa mpifidy eny anivon’ny Fokontany (CLRE) izay rantsan’ny Ceni. Izay indrindra no nahatonga ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène Andrianarisedo, niantso ireo olom-pirenena tsy ankanavaka, mba hanao ho zava-dehibe ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisitra vaovao. « Zontsika ny mifidy, ny misoratra anarana adidy », io no teny filamatra nosafidian’ny CENI hanentanana ny rehetra fa sady manana zo, no manana adidy ny tsirairay rehefa fifidianana no resahina.

Fomba fiasa samihafa

Fomba telo no hataon’ny Ceni hahafahana mampiditra ireo olom-pirenena anatin’ny lisitra. Voalohany, ny fitetezana isan-tokatrano ataon’ny mpanisa mpifidy, miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny CLRE na ny komity ifotony mpanisa ireo mpifidy. Mandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ihany koa, dia azon’ireo olona tsy tratra an-trano atao ny manatona ireo biraom-pokotany, izay misokatra 7 andro amin’ny 7 andro. Fomba fiasa fahatelo kosa ny fanisana ireo olona feno taona kanefa tsy mbola manana karapanondrom-pirenena, ka tsy maintsy hialohavan’ny hetsika fitsarana mitety vohitra hahafahan’izy ireo mahazo ny karapanondro ny fampidirana azy ireo anatin’ny lisitra. Etsy ankilany, efa andalam-pandinihana koa ny Ceni ny hahafahana mampiditra ireo voafonja tsy mbola voaheloka, anatin’ny lisitry ny mpifidy. Tsiahivina fa ireto avy ireo fepetra ahafahana miditra ao amin’ny lisitry ny mpifidy : mizaka ny zom-pirenena Malagasy, Feno 18 taona amin’ny faran’ny fe-potoana ifaranan-ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, manana karapanondrom-pirenena ary tsy mbola voaheloky ny lalàna ka tsy mbola very zo.

Tsara ho fantatra fa nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 1 oktobra 2022 teo, nanerana ny Faritra rehetra eto Madagasikara ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Nanamarika izany ny hetsika goavana isaky ny renivohi-paritany enina : fanentanana lehibe namakivaky ny tanàna, lalao fanentanana samihafa mikasika ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, fitsidihana fokontany sy tokantrano, ary fidinana ifotony teny anivon’ireo rantsamangaika ho fanomezana toromarika sy fankaherezana manokana azy ireo. Ireo rehetra ireo dia natao, tsy ho hetsika goavana fanamarihana ny fanombohan’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ihany, fa indrindra ho fanakaikezana mivantana ireo olompirenena, hampitana ny hafatra fototra amin’izy ireo, mba ho fandavorariana ny lisitry ny mpifidy sy ny zotram-pifidianana manontolo.

Fermer