SosialyTrangam-piaraha-monina
FANAVOTANA IREO MPONINA ANY ATSIMO Manatanteraka fizarana sakafo ny ekipan’ny BNGRC
Nanatanteraka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika mikasika ny fanohizana hatrany ny fanampiana ireo mponina any Atsimon’ny Nosy ny tompon’andraikitra isan-tokony. Anisan’izany ny eo anivon’ny BNGRC, izay mizara vary amin’ny gony ho an’ireo mponina amina distrika miisa telo ao Atsimon’ny Nosy, amin’izao fotoana…
Tsy mikely soroka amin’ny adidy napetraka taminy mikasika ny fanavotana ny mponina any atsimon’ny Nosy ny eo anivon’ny BNGRC, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika. Araka izany, misy ireo ekipan’ny Birao misahana ny loza sy ny tandindony (BNGRC) nidina any an-toerana manoloana ny zava-misy mbola iadiana hatramin’izao any Atsimon’ny Nosy, vokatry ny fahasimban’ny toetrandro mampisy tsy fanjarian-tsakafo io. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana desambra lasa teo, nanome sakafo ny olona rehetra amina faritra telo ao atsimo, ny ekipa. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny BNGRC, Jeneraly Elack Olivier Andriakaja, fa nanomboka nangina ny resaka hanoanana any atsimo hatramin’ny niantombohan’izay fizarana natao farany izay mbola mitohy hatramin’izao izay. Manodidina 200 taonina ny vary nozaraina tamin’izany, izay avy amin’ny Fitondram-panjakana foibe, raha ny fantatra. Nanampy izany ny kojakoja nozaraina tamin’ireo kaominina miisa 40 mandrafitra ireo faritra telo. Amin’izao fotoana, dia ao Betroka ny ekipan’ny BNGRC manatanteraka io fizarana io. Nambaran’ny Tale jeneraly hatrany, fa matihanina tanteraka amin’ny fandrindrana ny voina mpahazo ny mpiray tanindrazana toy izao, ny BNGRC, ary izany indrindra no antony namerenana ny fandrindrana fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra taminy, izay miara-miasa manampy ny mponina any atsimo ireo. Fantatra koa, fa misy ireo fanomezana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ary ny BNGRC hatrany no miantsoroka ny fandrindrana fizarana izany.
« Tsy miova ny fiomanana atao hiatrehana ny loza voajanahary »
Eo anatrehan’ny fiomanana amin’ny loza voajanahary anatin’izao vanim-potoana fahavaratra izao indray, dia nambara fa tsy miova toy ny isan-taona. Amin’ny ankapobeny, dia fantatra fa tsy maintsy misy ny rivo-doza mandalo, miampy tondra-drano eto Madagasikara, na eo aza ny fiomanana. Na inona koa fiomanana tanterahina, rehefa tonga ny loza dia tsy maintsy hatrehina. Izany indrindra no anton’ny fiomanana mialoha tanterahina ankehitriny sahanin’ny BNGRC. Eon y fanomezana toromarika ireo rantsa-mangaikany sy ny « point focaux » rehetra manerana an’i Madagasikara, ireo lehiben’ny Distrika sy ireo Ben’ny tanàna isan-tokony eran’i Madagasikara, izay tanterahin’ny BNGRC ankehitriny. Mitohy koa ny fametrahana fitaovana famonjena olona isak’ireo ivon-toerana misy ireo tompon’andraikitra voakasika. Mikasika an’Ampamarinana manokana, dia nambaran’ny Jeneraly Elack Olivier, fa antony nametrahana ireo saina mena dia ny mba hifindran’ny mponina toeran-kafa mba tsy hotapohin’ny loza sy tsy hisian’ny fifanomezan-tsiny, satria lahy tokana ny aina. Tsy ny eny amin’iny faritra iny ihany, fa faritra maro manodidina koa no voakasik’izany.
Raharaha faharendrehana sambo, « mandrindra sy manetsika no asan’ny BNGRC »

Anisan’ireo tompon’andraikitra nandray an-tanana ny vonjy voina niseho tany Soanierana Ivongo iny, ny ekipan’ny BNGRC, tarihin’ny Tale jeneraliny. Nambarany tamin’izany, fa ny fandrindrana niainga tamin’ny fahazoana loharanom-baovao nisian’ny faharendrehan’ny sambo Francia III, no notanterahin’izy ireo. « Nanome toromarika sy baiko avy hatrany ny Filoha Rajoelina, ary taorian’izay dia nanao ny fandrindrana mikasika ny fitantanana io famonjena aina tany an-toerana io, ny tenanay, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, sy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo ». Nomarihan’ny Tale jeneraly, fa andraikitry ny BNGRC ny manao ny fandrindrana asa rehetra mikasika ny loza toy ireny, fa tsy anjarany kosa ny miroboka anaty rano mamonjy ny olona. « Niantso ireo rantsa-mangaika rehetra voakasik’iny loza iny izahay, dia ny APMF, sy ny Tafika malagasy. Teo koa ny CPC, ny mpamonjy voina. Araka izany, nambarany fa tsy fialana andraikitra no nataon’izy ireo, araka ny filazan’ny sasany, fa fandrindrana ka antony nisian’ny vokatra azo tsapain-tanana haingana tao anatin’ny hateloana, nahavonjy ny 98%-n’ireo olona rehetra dibo-drano tao an-toerana. « Tafiditra tao anatin’ny andraikitry ny BNGRC avokoa, na ny sambo rendrika, na ny angidimby diboka an-drano, ary antony nahazoana vokatra tsara sy haingana noho izay fandrindrana natao izay », hoy ny Jly Elack Olivier, Tale jeneralin’ny BNGRC. Nambarany araka ny antontanisa azo tany an-toerana, fa tamin’ny andro voalohany, 39 ny olona efa tsy nisy aina intsony hita, ary hatramin’ny andro fahatelo dia nisy 47 izany. mahatratra 50 kosa, ireo olona mbola avotr’aina soa aman-tsara. Niara-nisalahy tamin’izy ireo, raha ny fantatra, ny APMF, ny teo anivon’ny faritra Analanjirofo, ireo tompon’andraiki-panjakana tao an-toerana, ny Depiote sy Loholona, ary ireo lehiben’ny Distrika sy Sefo fokontany, ka nahazoana haingana iny vokatra famonjena sy fanavotan’aina iny.




