Non classé
FANDAHARANA TVM’BÔSY: Manampy ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana
Efa herinandro maromaro izay no nanambaran’ny Fanjakana ireo daty hanatanterahana ny fanadinam-panjakana eto Madagasikara. Hiaraha-mahalala anefa ankehitriny ny tsy mbola fahafahan’ny mpianatra miverina an-dakilasy noho ny valanaretina mbola misy eny anivon’ny fiarahamonina. Eo anatrehan’izany, nanapa-kevitra ny teo anivon’ny ORTM sy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fa hanao ny fandaharana TVM’Bôsy, izay natao indrindra hanampiana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana, na izany ny Cepe, Bepc, na ihany koa ny Bacc. Nanambara ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fa tsy mahasolo ny fampianarana voray any an-dakilasy akory ity fandaharana ity, fa natao hanampy fotsiny ihany. Manodidina ny 30 eo eo ireo mpampianatra nanaiky hifanome tanana amin’ny fanatontosana io fandaharana io. Ka samy manana ny fomba entiny mampita ny lesona ny mpampianatra tsirairay avy, izay mifototra famerenana sy famaliana ireo laza adina efa natao teo aloha..
Fandaharana isan’andro
Tsara marihana fa finiavan’ny ORTM sy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina manokana no nanatanterahana ity fandaharana ity. Tsy misy, noho izany, tohana na famatsiam-bola manokana, fa efa nahazoana fankatoavana avy amin’ny Minisiteran’ny Fanambeazam-pirenena kosa. Nanomboka omaly ny fandaharana ho an’ireo ankizy hiatrika ny fanadinana Cepe, ka isaky ny amin’ny 8ora sy sasany maraina no hanarahana izany isan’andro. Famerenana kosa isaky ny 4ora tolak’andro. Etsy ankilany, amin’ny alatsinainy 17 Aogositra no hanomboka ny fandaharana ho an’ireo hiatrika ny Bepc, izay ho arahana isan’andro isaky ny amin’ny 11ora sy sasany. Ho an’ireo mpianatra hanala Bacc kosa, amin’ny alatsinainy 24 Aogositra no hanomboka ny fandaharana, ka isaky ny amin’ny 4ora tolak’andro izany. Tsara ho fantatra fa isaky ny amin’ny 10ora sy sasany alina dia misy ny famerenana ireo fandaharana ireo, manomboka amin’ireo alatsinainy 24 Aogositra io.


