Songadim-baovaoToekarena
FANDAHARANASA 2024-2028: Mitohy ny fiarahamiasa eo amin’ny Governemanta malagasy sy ny PNUD
Isan’ireo mpiara-miombona antoka mpiara-miasa amin’i Madagasikara amin’ny sehatra marolafy ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD). Manatsara ny fiaraha-miasany amin’ny Governemanta malagasy izy ireo amin’izao fotoana, amin’ny alalan’ny fandaharan’asa 2024- 2028. Notanterahina omaly ny jery todiky ny asa vita tamin’ny 2024 ary fanehoana ny drafitr’asa ho an’ny taona 2025, niarahana tamin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, notarihan’ny Sekretera jeneraliny, Andry Ramanampanoharana,. Manamafy ny tamberin’andraikitra sy ny mangarahara ny roa tonta niaraka tamin’ireo sehatra voakasik’izany.
Hevi-dehibe 3 no hifotoran’ity fiaraha-miasa ity izay mifandraika amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Isan’izany ny fitantanana maharitra sy miarina ary iombonana eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, eo koa ny fanamafisana ny Fanjakana tan-dalàna sy azo antoka, ary ny fanatsaràna ny vokatra azo avy amin’ny asa, famoronan’asa mendrika, fampiroboroboana toekarena miabo.
Tamin’ny fotoana omaly no ahafahan’ny mpandray anjara maneho ireo asa vita , ireo lesoka sy ireo sakana ary manolotra soso-kevitra mifandraika amin’ny fanatanterahana ho an’ny taona 2025.



