Toekarena

FANDAHARANASA « AFAFI NORD » : Kaominina 24 nisitraka famatsiam-bola 50 tapitrisa Euros

Vola mitentina 50 tapitrisa euro avy amin’ny Tahirim-bola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana, andiany faha-11 no isitrahan’ny kaominina 24, amin’ny alalan’ny Fandaharanasa « Afafi Nord ». Hahazo tombondahiny amin’ny fanohanana ireo manana otrikarena amin’ny fambolena, indrostria ary ny lafiny fizahantany. Tsy hohadinoina ny resaka fanofanana amin’ireo sampandraharaham-panjakana teknika itsinjaram-pahefana…

Famatsiam-bola mitentina 50 tapitrisa euros  avy amin’ny Tahirim-bola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana andiany faha-11 na ny 11ème Fed no azon’ny kaominina miisa 24 any amin’ny tapany Avaratry ny Nosy. Avy amin’ny alalan’ny Fandaharanasa fanohanana ny famatsiam-bola ho an’ny fambolena sy ny lalam-pihariana ifotony ho an’ny tapany Avaratra na ilay antsoina hoe « Afafi Nord » no efa mandeha ankehitriny.  Isan’ny voakasika ity famatsiam-bola ity ny Faritra telo, ahitana ny ao amin’ny Faritra Sava, toy ny Distrikan’Antalaha, Sambava, Vohémar.  Tafiditra ao koa  Ambilobe. Isan’ny misitraka ny famatsiam-bola, amin’ny alalan’ny fandaharanasa koa, ny ao Faritra Analanjirofo, toa an’i  Soanierana Ivongo ary Fenoarivo Atsinanana. Ireo manana otrikarena amin’ny fambolena, indostria ary ny fizahantany no voakasika mivantana ny fandaharanasa. Nasongadin-dRtoa Rajaobelimanana Onisoa, tomponandraikitry ny Fandaharanasa « Afafi Nord », ao amin’ny Birao tantsoroka ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany (BACE) fa « tanjona ny hisian’ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny sehatry ny fambolena ». Tafiditra tanteraka amin’izany lafiny fotodrafitrasa, toy ny fanatsarana ny lakandrano, anondrahana ny voly.

Hofanina ara-teknika…

Tsy nohadinoina koa ny fanofanana ireo sampandraharaham-panjakana teknika itsinjaram-pahefana sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ary ny fikambanan’ireo tantsaha, ao amin’ireo distrika sy kaominina voakasika. Mba hanatsarana ny vokatra azo, hofanina ara-teknika izy ireo, indrindra eo amin’ny lafiny fambolena sy ny famokarana.  Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa Afafi Nord ity koa ny tosika manokana, indrindra eo amin’ny lafiny ara-bola, miaraka amin’ny fandaharanasan’ny PAGE-GIZ, ho an’ny distrikan’Ambilobe.

Tiana ny manamarika fa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (MEF) ny Birao tan-tsoroka ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany (BACE), amin’ny fanatontosana ny fandaharanasa. Mifandrohy amin’ny fanatanterahana ny asa kosa, ny minisiteran’ny Fambolena (MAEP) sy  ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana (MEDD). Izao fandaharanasa izao, dia efa vita sonia tamin’ny volana jolay 2017n ary fifanarahana maharitra, mandritra ny enin-taona.

Fermer