KolontsainaSongadim-baovao
FANDAHARANASA « KOLO VOARY »: Natomboka ny sabotsy teo, hevi-baovao amin’ny fiarovana ny tontolo iainana
Niavaka ny hetsika Tagnamaro, ny sabotsy teo, ho an’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, satria dia sady fanombohana ihany koa ny fandaharanasa “Kolo Voary”, izay mifototra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Araka izany, fanamboarana ireo fitoeram-pako hanaovana ny fanavahana ny karazam-pako na hanaovana ny "tri sélectif" sy ny fanentanana momba izany no natao.
Nampifandraisina tamin’ny fanombohana ny fandaharanasa « Kolo Voary » ny hetsika Tagnamaro tamin’ny sabotsy teo. Ho an’ny teo anivon’ny Minisitera foibe dia tetsy Nanisana no nanatanterahana izany, ka fanamboarana ireo fitoeram-pako hanaovana ny fanavahana ny karazam-pako na hanaovana ny « tri sélectif » sy ny fanentanana momba izany no natao. Ireo fitoeram-pako misy loko efatra ireo dia hapetraka amin’ny toeram-piasan’ny Minisitera sy ireo toerana ara-kolontsaina rehetra tantaniny, araka ny fanazavana.
Tsara ho fantatra fa ny fandaharanasa “Kolo Voary”, dia mifototra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, izay voalaza fa adidin’ny rehetra. “Mahatsiaro manana izany adidy izany ny MSK ka nanapa-kevitra ny hampandray anjara ireo mpiasa rehetra ao aminy manerana ny Nosy ao anatin’izany fiarovana ny tontolo iainana izany. Fandaharanasa ampiharina ato anatiny izy ity”, hoy ny seraseran’ny Minisitera. Marihana fa ho an’ny sabotsy teo dia saika nitovy daholo ny hetsika Tagnamaro nataon’ny fitaleavam-paritry ny Minisitera manerana ny Nosy.
Fihetsika isanandro
Araka ny fanazavana hatrany, ny « Cellule environnementale » eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no mpitarika ny fandaharanasa. Ity farany izay mizara endrika efatra, amin’izao fanombohana izao. Voalohany indrindra amin’izany ny fanovana ny Fihetsika isan’andro, toy ny famonoana ny jiro rehefa miala ny birao na rehefa mbola mazava ny andro, fanidina tsara ny robinet rehefa avy mampiasa, ny tsy fanariana ny taratasy raha mbola azo ampiasaina ny ao ambadika, eo koa ny tsy tokony hanaovana “impression” ny asa raha mbola afaka alefa email na clef USB, ny famonoana ny fitaovana mandeha amin’ny herinaratra rehetra rehefa mody, ary izay fihetsika heverina fa mbola afaka hiarovana ny tontolo iainana. Faharoa, endrika hisehoan’ny fandaharanasa koa ny Tri selectif, izay efa natao ny sabotsy teo. Ny fakon’ny Minisitera rehetra manomboka izao dia tsy ariana tamba-be fa atao « tri », araka ny fanazavana. Ny fanariam-pako miloko maitso dia fanariana ireo « potika sakafo sy zava-maniry », ny mavo fanariana « taratasy sy baoritra », ny manga fanariana « plastika », ary ny mena : « fako hafa » : conserves, alu, vera, takamoa, fonona biscuits sy bonbons, vy, piles, sy ny sisa.
Marihana fa tsy atambatra indray akory ny fako rehefa tonga ny mpaka fako fa misy làlany daholo. Araka ny fanazavana, taratasy sy plastika ary tavoahangy vera dia efa nahitan’ny Minisitera orinasa haka azy, ny potika sakafo sy zava-maniry kosa hanaovana « compost » ho lasa zezika.
Fambolena hazo na zava-maniry
Endrika fahatelo hisehoan’ny fandaharanasa “Kolo Voary” kosa ny fambolena hazo na zava-maniry manokana mifandraika amin’ilay toerana ara-kolontsaina izay tantanin’ny Minisitera manerana an’i Madagasikara. Mety misy hazo na zava-maniry nampalaza ilay toerana, na manamasina ilay toerana dia ireny no volena amin’izany toerana ara-kolontsaina izany. Ary teboka fahefatra ny fampidirana amin’ny hetsika isan-karazany izay ataon’ny Minisitera ny fanabeazana olom-pirenena mahakasika ny tontolo iainana. Kilalao malagasy ohatra na resaka boky dia ampidirina ao ny resaka tontolo iainana.
Marihina etoana fa tao anaty fanajana feno ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra ny hetsika natao ny sabotsy teo. Tsy ny mpiasa rehetra rahateo no nandray anjara fa ny ampahany ihany, ary natao ny fanasan-tànana miverimberina sy ny fanajana ny elanelana.




