PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FANDANIAN’NY DEPIOTE NY LFI 2021: Dingana mankany amin’ny fanarenana ny toekarena

Anisany lahadinika manan-danja mandritra izao fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena izao ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Nandany izany ireo depiote ny harivan’ny zoma lasa teo. Teboka maro no nivoitra tao anatin’ity volavolan-dalàna ity, izay ahitana taratra sahady ny fitodihana mankany amin’ny fanarenana ny toekarena sy ny fanomezan-danja ny lafiny sosialy.

Taorian’ny nandanian’ireo depiote maro an’isa ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny taona 2021, nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola fa zava-dehibe iankinan’ny toekarem-pirenena iny fanapahan-kevitry ny Solombavambahoaka iny. Ao anatin’ity tetibolam-panjakana 2021 ity tokoa mantsy, tombanana ho 22,8% ny tahan’ny fampiasam-bola na ny “taux d’investissement” ho an’ny taona 2021, raha 17,8% izany tamin’ny taona 2020. Vinavinaina  ho 4,5% ny tahatombon’ny toekarena amin’ny taona 2021. Ankoatra ireo, tombanana ho 3.700 miliara Ariary fandanim-bolam-panjakana amin’ny taona 2021, raha 2.757 miliara Ariary tamin’ny taona 2020. Ny fanitsiana nentin’ireo depiote ihany koa dia mbola mifandraika betsaka amin’ny fanatsarana ny lafiny toekarena, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Randriamandranto Richard, hatrany. Notsindrian’ity farany fa tena nodinihina ity volavolan-dalàna ity tao amin’ny Antenimieram-pirenena. Nanam-porofo izany ireo teboka nitondrana fanitsiana. “Hahafahana manatanteraka ny politika ankapoben’ny Fanjakana sy ny vinan’ny Filoham-pirenena izany”, hoy izy. Araka izany, isany fanitsiana nataon’ireo depiote ny fanalana ny TVA amin’ny varotra volamena. “Zava-dehibe izany satria efa misy ny fandaminana mba hahafahan’ny banky foibe mividy amin’ireo izay mahazo fankatoavana amin’ny fivarotana izany”, hoy ny minisitra. Fanitsiana nentin’ireo depiote koa ny fanalana ny TVA amin’ny varimbazaha, katsaka, sy ny fitaovana ara-pahasalamana. Ankoatra izay, nahitsin’ireo depiote koa ny famerenana ny “droit d’accise” ho 8% raha toa ka 10% izany ho an’ny taona 2020 noho ny fiheverana fa tokony hiroborobo ny fikirakirana ny “digital” sy ny “dematerialisation”, izay efa politikan’ny Fanjakana rahateo amin’ny alalan’ny E-gouvernance. Izany hoe, tsy sakana amin’ny fahatrarana ny vinan’ny Governemanta mihitsy ny fanitsiana nentin’ireo Solombavambahoaka.

31,9% ny fandaniam-bola amin’ny sosialy

Ankoatra ny lafiny fanarenana ny toekaren’i Madagasikara taorian’ny valanaretina Covid-19, miompana amin’ny sehatra maro samihafa koa ity tetibolam-panjakana 2021 ity. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny sosialy. Hampiakarina 31,9% tokoa mantsy ny fandaniam-bola eo amin’ny lafiny sosialy ao anatin’ity volavolan-dalàna ity, raha 27,5% tamin’ny taona 2020. Momba ny fanabeazana,  hirosoana ny fiantsorohana ny saram-pidiran’ireo mpianatra any amin’ ny Sekolim-panjakana fototra sy ny karaman’ ireo mpampianatra FRAM. Misongadina ao anatin’ity volavolan-dalàna ity koa finiavan’ny Fanjakana foibe hametraka politikam-pitsitsiana eto amin’ny tany sy ny firenena, amin’ny alalan’ny fampihenana 10% ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny minisitera rehetra. Eo koa ny fampiakarana ho 25 miliara Ariary ny vola fanampiana  ny Kaominina.

Tsy nandany ny TIM

Tsiahivina fa nolanian’ireo Solombavambahoaka miisa 97 teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny zoma alina teo ity volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021 ity. Solombavambahoaka izay nahitana ny avy amin’ny IRD sy ny GPR ary ireo tsy miankina eo anivon’ity Andrimpanjakana ity. Naharitra ora maro ny fanaovana tatitra notontosain’ny vaomieran’ny vola sy ny tetibola, mahakasika ireo asam-baomiera isan-tsokajiny. Taorian’izay, niroso tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny Antenimieram-pirenena ka nolanian’ny maro an’isa tamin’izany ity tetibola ho an’ny taona 2021 ity. Tsy nandany izany kosa ireo Solombavambahoaka avy amin’ny antoko TIM noho ny fiheveran’izy ireo fa tsy ara-dalàna ny fomba nandaniana azy. Teo anatrehan’izany, nivoaka ny efitrano fivoriana ireo Solombavambahoaka TIM, ary tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana, noho ny fiheveran’izy ireo fa tsy ampy ny fotoana nandinihana ity volavolan-dalàna ity. Nanamafy anefa, tetsy ankilany, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, fa mifanaraka amin’ny lalàna ny fandaniana ity tetibolam-panjakana ity. Araka ny andininy faha-89 ao amin’ny Lalàmpanorenana, dia manana hatramin’ny 15 ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena handinihana sy handaniana ny volavolan-dalàna, hoy izy. Izany hoe, tsy voatery ho laniana io 15 andro io, ary ara-dalàna ny fandaniana lalàna mialohan’ny 15 andro.

 

Fermer