PolitikaSongadim-baovao

FANDEVENANA NY PAPA FRANSOA : Tsy nisy fiovana ireo fombafomba fanaon’ny Eglizy amin’ny fandevenana Papa

Tanteraka ny sabotsy lasa teo ny fandevenana ny Papa Fransoà. Tsy nisy fiovana ireo fombafomba tranainy fanaon’ny Eglizy katolika amin’ny fandevenana ny Papa. Tao amin’ny Bazilikan’i « Sainte Marie Majeure » no nandevenana azy, arakany safidiny fahavelony. Nahavory mpino marobe maneran-tany ny fotoana…

Na dia nisy fiovana manaraka ny vanim-potoana aza, ny fombafomba nentina nandevenana ny Papa Fransoà, dia tsy nisy nokitihina ireo dingana maro tranainy fanaon’ny Eglizy katôlika tsy maintsy arahina amin’ny fandevenana Papa, araka ny hita nandritra ny fandevenana ny Papa Fransoà, ny sabotsy 26 Aprily 2025 lasa teo. Fomba fanao hatramin’izay nandevenana ireo Papa marobe nifandimby izany, raha ny fantatra. Fihetsika miavaka tsikaritra tao anatin’izany ohatra, ny nametrahana ny boky mirakitra ny Evanjelin’i Jesoa Kristy, izay napetraka teo ambony vata misy ny Papa. Naharitra ora 02 sy sasany ny Lamesa nentina nanaovam-beloma farany ny Papa Fransoà, teo amin’ny Kianjan’i Md Piera ao Vatican, tamin’io fotoana io, ary ny Kardinaly zokiolona Mgr Giovanni Battista Re, no nitarika izany, notronon’ireo Kardinaly marobe maneran-tany. Taorian’ny fotoana, dia nirosoana ny fandevenana ny Papa tao amin’ny Bazilika Fiangonana katôlika « Sainte Marie Majeure », araka ny fangatahana nataony fahavelony. Marihina, fa ny Papa Fransoà dia Eveka « Zezoita » (Fikambanan’i Jesoa) voalohany nitantana ny Eglizy katôlika, ary teratany Arzantina, Amerikana voalohany teo amin’izany toerana izany, izay nitondra ny Fiangonana nandritra ny 12 taona sy nitondra ny anaran’ny olomasina « Fransoà », maty teo amin’ny faha-88 taonany, raha tsiahivina.

Miankina amin’ny safidin’ilay Papa…

Raha ny nahazatra hatramin’izay dia tao amin’ny Bazilikan’i Md Piera ao Vatican hatrany, no nandevenana ny ankamaroan’ireo Papa nifandimby, amin’ny maha Papa voalohany io Mpianatry ny Tompo io, izay milevina ao amin’io toerana io. Tsy voatery ho ao anefa, fa miankina indrindra amin’ny fangatahan’ilay Papa fahavelony, toa an’i Papa Fransoà, izay nangataka halevina tao amin’ny Bazilikan’i Masina Maria Lehibe rehefa tonga ny fotoam-pahafatesany. Heverina, araka izany, fa noho ny toe-panahy manokana nananan’ny Papa Fransoà amin’ny maha Zezoita azy, nananany fitiavana manokana an’i Masina Maria Renin’Andriamanitra no antony nisafidianany io toerana io handevenana azy. Ankoatr’izay dia fantatra, fa io Fiangonana bazilika nosafidiany io no nandevenana an’i Md Ignace de Loyola, izay mpanorina ny Fikambanan’i Jesoa. Ao ihany koa no fantatra, fa misy ny sombin’ny Hazofijaliana namantsihana an’i Jesoa Kristy, izay voatahiry anaty fitaratra manokana. Izany rehetra izany no heverina fa anton’ny safidin’ny Papa Fransoà, raha ny nambaran’ny Pretra Zezoita iray. Nahavory Mpino katôlika sy mpino hafa, ary Filoham-panjakana maro avy amina firenena samihafa ny fandevenana ny Papa Fransoà ny sabotsy lasa teo. Maherin’ny 200 000 izany, raha ny fantatra. Tonga nanotrona ny fandevenana ny Papa tany Vatican, ny Filohan’ny Repoblika malagasy Rajoelina Andry, mivady sy ny zanany. Marihina moa, fa anatin’ny fisaonana ny Fiangonana katôlika amin’izao fotoana, araka ny fanapahan’ny fiangonana anaty hasivian’andro. Hirosoana ihany koa, ny fanatanterahan’ireo Kardinaly miisa 136 ny fihibohana hanatanterahana ny fifidianana miafina na ny « Conclave », ary haharitra 15 ka hatramin’ny 20 andro izany.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer