SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FANDIKAN-DALÀNA: Fiara “bonne occasion” anarivony miafina anaty taratasy tsy ara-dalàna
Betsaka ny volam-panjakana very noho ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo olona sasany manana fiara vao nafarana avy any am-pitandranomasina, na irony fiara “bonne occasion” irony. Miantso azy ireny mba hanaraka ny lalàna misy eto amintsika ny avy eo anivon’ny foibe fitsarana fiarakadia. Nisy ny valan-dresaka nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly…

Anarivony ankehitriny ireo fiara miasa sy mifamoivoy eto Antananarivo izay miafina ambadikana antontan-taratasy tsy ara-dalàna. Voakasik’izany manokana ireo fiara “bonne occasion”, na irony fiara vao avy nafarana avy any ivelany, tonga eto Madagasikara, irony. Nanambara ny teo anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) fa miala na tsy manao “reception technique” ny ankamaroan’izy ireny. Tsy vitsy amin’izy ireo no mampiasa « attestation provisoire de circuler » avy amin’ny mpitandro filaminana, izay tsy manam-pahefana anao izany amin’izy ireo akory. Tsy vitan’izany, fa
“mampiasa laharana « wwt » ilay fiara fa hoe amidy nefa fiara efa manana laharana gasy na fiara tsy vaovao akory”, hoy ny Tale jeneralin’ny foibe fitsarana fiarakodia, ny Jly Tsirivelo Nicolas.
Miantso fiarahamiasa amin’ny avy eo anivon’ny zandarimarim-pirenena sy ny polisim-pirenena, noho izany, ity sampandraharaha ity amin’ny fanaraha-maso akaiky ireo karazana fandikan-dalàna ireo.
Betsaka ny volam-panjakana very
Nilaza ny teo anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia fa betsaka ny volam-panjakana very sy tsy tafiditra, noho ireo karazana tsy fanarahan-dalàna ireo. Ny DGSR izay miantso azy ireny mba hiverina amin’ny ara-dalàna hatrany. Nampahatsiahy ny Jly Tsirivelo Nicolas omaly fa tsy afaka mankany amin’ny “centre immatriculateur” hanao “carte grise” raha tsy mandalo fandraisana ara teknika na “reception technique” any amin’ny DGSR. Tafiditra ao anatin’izany avokoa na fiara “particuliers” na “concessionaires”. Eo anatrehan’izany, azo heverina ny mety hisian’ny fitakiana ny rosia nanaovana fandraisana ara-teknika tamin’ny fanaovana fitsirihana ara-teknika voalohany, na eny andalana aza.
Fitsarana fiara vonjimaika roa
Nisy ny resaka nifanaovan’ny DGSR tamin’ny mpanao gazety omaly. Fotoana izay nanambarana ireo fepetra vaovao ialàna amin’ny fitohanana eny amin’ny ivon-toerana sy fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Voalohany indrindra amin’izany ny fanarahana ny fepetra rehetra anaty famehana ara-pahasalamana, miaraka amin’ny fanaovana ireo fihetsika sakana na « gestes barrieres ». Fantatra ihany koa fa hisokatra manomboka amin’ny 07 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora tolakandro ny fandraisana ireo mpanjifa amin’ireo ivon-toerana manerana ny nosy. Manampy izay, hisokatra sy hiasa asabotsy ireo ivon-toerana fitsarana fiarakodia rehetra, manomboka ny sabotsy 29 aogositra izao, amin’ny 07ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro. Miankina amin’ny zava-misy kosa no mety ho fiitarany. Ankehitriny, mitombo isa sy mihabetsaka ireo fiara tonga manao fitsirihana eto Antananarivo. Ka ho fanamaivanana ny fasahiranana sy fanatonana bebe kokoa ireo mpanjifa, dia hametraka fitsarana fiara vonjimaika na ilay antsoina hoe “centres mobiles” miisa roa ny foibe fitsarana fiarakodia. Ahitana izany ny ao amin’ny toby fiantsonan’ny taksibrosy maki andohatapenaka sy tobim-piantsonan’ny taksibrosy fasan’ny karana, manomboka ny 25 aogositra 2020, mandritra ity herinandro ity. Arakaraka ny zava-misy no mety hanitarana izao hetsika izao, ary ny fiara rehetra dia afaka manatona eny avokoa.




