PolitikaSongadim-baovao

FANDIKAN-DALANA TENY AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA : Ny tao amin’ny Antenimierandoholona no nitory an’i Baba sy Clémence

Nitondra fanazavana mahakasika ny raharaha nahavoasaringotra ny mpanolontsain’ny tanàna miisa roa, ny herinandro lasa teo, ny Antenimierandoholona. Raha tsiahivina ny zava-nitranga, ny alakamisy faha-18 septambra 2025, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina, dia nisy andian’olona vitsivitsy notarihan’Andriamatoa Rakotoarisoa Alban sy Ramatoa Raharinirina Clémence, nanao hetsika tsy nahazoana alalana teo amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely. Nitabataba tamin’ny fanamafisam-peo izy ireo, nanentana fankahalàna Loholon’i Madagasikara iray, ary nikasa hiditra an-keriny tao amin’ny Lapa mihitsy mba hanery io Loholon’i Madagasikara io hidina an-dalambe, noho ny teny nataony tamin’ny taona 2016.

Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana teo anoloan’ny Lapan’ny Antenimierandoholona ny fikirizana nataon’izy ireo hiditra tao an-dapa sy ny fitangoronan’ny olona nijery ny zava-nisy, satria tsenan’i Mahamasina tamin’io andro io, ka betsaka ny olona nandalo. Nisy ihany koa ny teny miendrika fanambaniana sy fanevatevana imasom-bahoaka nataon’Andriamatoa Rakotoarisoa Alban tamin’Andriamatoa kolonely, Talen’ny Fiarovana ny Antenimierandoholona.

Tsara ny manamarika fa voasokajy ho toerana saropady ny Lapan’ny Antenimierandoholona. Noho izany dia misy fepetra manokana sy fandaminana ny fidirana ao anatin’ny Lapa.

Miandry ny fotoam-pitsarana…

Noho ny fandikan-dalàna niseho, nahiana hiteraka korontana, izay hita fa tanjona nokatsahan’Andriamatoa Rakotoarisoa Alban sy Ramatoa Raharinirina Clémence, dia nametraka fitoriana Andriamatoa kolonely, Talen’ny Fiarovana sy Andriamatoa Tale misahana ny Lalàna sy ny Fandalinan-kevitra eo amin’ny Antenimierandoholona. Taorian’ny fanolorana ireo voapanga teny amin’ny Fampanoavana dia fantatra fa napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana izy ireo. Amin’ny 30 septambra 2025 moa no ho atao ny fotoam-pitsarana.

“Manoloana izany dia entanina ny besinimaro mba tsy ho voafitak’ireo Mpanakorontana. Vonona handray ny andraikitra ankinina aminy ny tompon’andraikitra eto anivon’ny Antenimierandoholona, mba hisorohana ny fandikan-dalana toy ny nataon’izy mianadahy ireo”, hoy ny fanambarana. Heloka ny fanentanana  fankahalana olona sy ny fanimban-javatra, ary tsy hitondra soa ho antsika. Tokony hiezaka hitandro ny fihavanana fa tsy hivoy fifankahalana hatrany koa ny samy Malagasy, eny na amin’ireo vahiny mandalo na mipetraka eto Madagasikara aza, satria izay no Soatoavina napetraky ny Ray aman-dRenintsika, hoy hatrany fanambaran’ny Antenimierandoholona.

Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer