SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FANDOAVANA VATSIM-PIANARANA SY KARAMA : Lamina vaovao ny fametrahana « Base de données numérique »
Saika efa ho isan-taona no haharenesana olana momba ny vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo, ka mitarika ny grevy sy ny korontana ataon’ireo mpianatra, izay miharo fanararaotana hatrany matetika. Lamina vaovao sy fomba fiasa maoderina, noho izany, no hirosoan’ny Minisitera tomponandraikitra amin’ny fametrahana ny angon-toro na ny “base de données numérique” amin’ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra sy ny karaman’ny mpiasa.
Hanamora ny fikirakirana ny fandoavana ny vatsim-pianarana sy ny karaman’ny mpiasa eny amin’ny anjerimanontolo ny fametrahana ny angon-toro na ny « Base de données numérique » eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ity farany izay nanamafy, tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao fa ny tsy hampiandry ela intsony ny mpianatra sy ny mpiasa eny amin’ny oniversite amin’ny fisitrahana ny vatsim-pianarana sy ny karama no tanjona ilofosan’izy ireo ankehitriny. « Tsara koa ny manamarika fa hampisy mangarahara bebe kokoa amin’ny fitantanana ny vola ity lamina vaovao ity », hoy ny fanazavana. Araka izany, hisy lisitra mazava andraisana ny anaran’ny mpianatra tsirairay misitraka ny vatsim-pianarana, ny laharan’ny karampanondro sy ny finday mandeha izay ampiasaina. Toy izany ihany koa ny an’ny mpiasa.
« Ny fandrafetana, fa indrindra ny fanaraha-maso io lisitra io hifanaraka amin’ny tena zava-misy mahakasika ny isan’ny mpianatra sy ny mpiasa ary ny mombamomba azy ireo, no mampisy ny fahatarana kely eo amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana sy ny karama », hoy ny Minisitera.
Manameloka ny fanimbana nisesisesy
Teo anatrehan’izany lamina vaovao izany, niantso ireo mpianatra sy mpiasa eny amin’ny anjerimanontolo ny Minisitera mba hanana faharetana sy mba ho tony, ary hitandro mandrakariva ny fananana iombonana. Tamin’ny alalan’io fampitam-baovao navoakan’ny Minisitera ny faran’ny herinandro lasa teo io no nanambarany fa « manameloka ny fanimbana sy ny fanapotehana ny fananam-panjakana izay nisesisesy tato ho ato ny Minisitera, ary hampihatra ny sazy ho an’izay mbola minia sy tratra manao izany ». Notsindrian’ny sekretera Jeneralin’ny Mesupres, ny Profesora Randriamasitiana Gil Dany, fa manao ezaka mafy ny Fitondram-panjakana amin’ny fanorenana sy ny fijerena ireo olana ara-tsosialy iainan’ny mpianatra, toy ny fananganana trano fonenana sy campus ary « Forages » ho an’ny rano fisotro madio. Izy izay nanentana ny mpitantana ihany koa mba hikajy sy hikojakoja ireny fananana iombonana ireny.
Antenaina hitondra vahaolana maharitra amin’ny fitantanana ny vatsim-pianarana eny anivon’ny Anjerimanontolo, noho izany, ity lamina sy fomba fiasa vaovao ity. Ny hetsiky ny mpianatra eny amin’ny oniversite izay matetika misy manararaotra amin’ny resaka politika hatrany rehefa amin’ny vanim-potoana tahaka izao, ka ilàna vahaolana matotra.




