Fanadihadiana ManokanaSosialy
FANDOTOANA: Mahatonga ny 22%-n’ny fahafatesana
Fandotoana misongadina aty amin’ny tanàn-dehibe ny fahalotoan’ny rivotra. Mifoka rivotra maloto mandritra ny 208 andro ao anatin’ny taona iray ireo mponina monina any amin’ireo toerana ireo. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena kosa, ny 91%-n’ny mponina maneran-tany no tsy afa-bela amin’ny fifohana rivotra maloto. Io fandotoana io no mahatonga ny 22%-n’ny fahafatesan’ny zanak’olombelona…
Miaina krizy ara-tontolo iainana miisa 3 lehibe izao tontolo izao: ny fiovan’ny toetrandro, ny fahaverezan’ny karazanjavamananaina, ary ny fandotoana. Mahakasika ny fandotoana manokana, sehatra maro no voakasik’izany dia ny fandotoana hita any amin’ny rivotra, ny rano ary ny tany izay miteraka voka-dratsy eo amin’ny tontolo iainana, eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ary ny ara-toekarena. Isan’ny mahazo vahana eto an-drenivohitra tato ho ato ny fahalotoan’ny rivotra. Araka ny tatitry ny foibe famantarana ny toetry ny andro tamin’ny herinandro lasa teo dia ambony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra teto Antananarivo, teo anelanelan’ny 24 hatramin’ny 30 septambra 2024. Mijanona ho mankarary ireo olona marefo hatrany io kalitaon’ny rivotra io. Nihoatra avo 2 hatramin’ny avo 3 heny tamin’ny fetra nofaritan’ny OMS (Vondron’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana) ny fatra voaray nandritra ny fandrefesana natao. Isan’ny antony voalohany mahatonga izay fahalotoan’ny rivotra eto amintsika izay ny fitombon’ireo fiara mifamezivezy mamoaka entona maloto sy ny firoborobon’ny fandorana rehefa eo anelanelan’ny volana septambra hatramin’ny novambra. Izany hoe ireo fandorana biriky sy fandorana tanety amin’ireo toerana manodidina an’Iarivo. Vokatr’izany, fantatra fa mifoka rivotra maloto mandritra ny 208 andro ao anatin’ny taona iray ireo mponina monina an-tanàn-dehibe eto amintsika. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray, ny 91%-n’ny mponina maneran-tany no tsy afa-bela amin’ny fifohana rivotra maloto. Mahatonga aretina sarotra tsaboina maro toy ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ny homamiadana anefa izany tranga izany. Nambaran’ny OMS hatrany fa ny 22%-n’ny fahafatesana maneran-tany dia avy amin’ny vokatry ny fandotoana avokoa.
Fanamarihana voalohany ny “andro iray tsy misy fandotoana”
Noho izany zava-misy izany indrindra no mahatonga ireo mpisehatra marolafy hanamafy ny fanentanana amin’ny fanenana ny fandotoana. Nikarakara ny hetsika “andro iray tsy misy fandotoana” (journée sans pollution), araka izany, ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD). Nomarihana voalohany omaly 06 oktobra izany hetsika izany izay natao mifanindran-dalana amin’ny fanatanterahana ny voalazan’ny Tondrozotra Nasionaly momba ny Fitantanana ny Fandotoana. Lohahevitra navoitra ny hoe “Ady amin’ny fandotoana ateraky ny fiara”. Tanjon’ny fanamarihana ny “andro iray tsy misy fandotoana” amin’ity taona ity ny hampiroboroboana sy hampahafantarana ny fomba fitaterana maharitra sy manaja ny tontolo iainana toy ny dia an-tongotra, ny fitaingenana bisikileta sy/na ny fampiasana ny fitaterana iombonana. Nandritra io omaly io, noho izany, dia nisy ny fanaovana diabe teny amin’ny manodidina an’Anosy sy Mahamasina. Nisy ihany koa ny fanehoana ireo karazam-pitaterana manaja ny tontolo iainana, lavitry ny fandotoana. Natao ihany koa io hetsika io mba hanentanana ny vahoaka mahakasika ny maha zava-dehibe ny fampihenana ny dian-tomboka karbona ary hanatsarana ny kalitaon’ny rivotra amin’ny fampihenana ny fampiasana ireo fiara atosi-milina mandeha amin’ny solika. Nampiavaka io omaly io ny fampirantiana ireo voninkazo afaka manadio ny tany, rano sy ny rivotra. Teo ihany koa ny fanatanterahana fifanaovan-tsonia teo amin’ireo mpisehatra marolafy, sehatra tsy miankina, sy ny avy amin’ny Fanjakana ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny ady amin’ny fandotoan’ny rivotra. Tsy adinoina ny fampisehoana ireo fitaovana ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, fanaovana fanaraha-maso ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo. Misy marim-pamantarana ireo fitaovana ireo ka hahafahana mampita amin’ny vahoaka sy ny sehatra isan-tsokajiny ny fahalotoan’ny rivotra amin’ny fotoana rehetra ilàna izany ny fampiasana ireo fitaovana ireo. Farany ny fiarahan’ny MEDD sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ao anatin’ny fijerena ny tetikasa azo tanterahana mba hanadiovana ny rivotra ao amin’ireo “tunnel” 2 eto an-drenivohitra.
Paikady maharitra…
Ambonin’io hetsika fanamafisana fanentanana io, tsara ny mampahafantatra fa manana ny paikady maharitra hanalefahana ny fandotoana isika eto Madagasikara. Misongadina amin’izany ny fananantsika ny Tondrozotra Nasionaly momba ny Fitantanana ny Fandotoana sy ny fampiharana izany izay efa nankatoavin’ny Fanjakana malagasy. “Isan’ny firenena voalohany mampihatra izany isika eto Madagasikara”, hoy ny fanazavan’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine omaly. Paikady apetraka ihany koa ny fanalefahan-ketra amin’ny fampidirana ireo fitaovam-pitaterana elektrika eto amintsika. Ampirisihana sy ampiroboroboana mantsy ny fampiasana ireo fitaovam-pitaterana ireo satria manaja kokoa ny tontolo iainana sy tsy mandoto izy. Nohazavain’ny tompon’andraikitra fa mahaliana olona maro ny fanjifana ireo karazam-pitaovam-pitaterana elektrika ireo amin’izao fotoana. Misy amin’ireo mpandraharaha mihitsy aza no milaza fa tsy maharaka ny vokatra avy amin’izy ireo satria efa maro ireo resy lahatra amin’ny fanjifana ireo fitaovana elektrika ireo. Farany ny paikady efa nampiharina hatramin’izay ary mbola mitohy hatrany mifandraika amin’ny fitsirihana ireo fiara sy kodiarandroa mpamoaka entona maloto mpanimba tontolo iainana. Manana fitaovana fijerena ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra ireo polisin’ny tontolo iainana, ary miara-miasa amin’ireo sehatra maro toy ny ATT sy ny Zandarimariam-pirenena izy ireo ao anatin’io asa tanterahana eny an-kianja io.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.



