PolitikaSongadim-baovao
FANDRAFETANA NY LISITRY NY MPIFIDY: “Tsy mitombina ny filazana fa tsy manara-dalàna ny Ceni”, hoy ny filohany
Nifarana ny sabotsy 10 Jona teo ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy teny amin’ny rantsamangaikan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) eny anivon’ny Distrika (CED). Halefa eny amin’ny Ceni foibe ny lisitra, ary ho averina eny anivon’ny Fokontany avy eo mba hahafahan’ny olom-pirenena manao fanamarinana sy fanamarihana, ary koa mba hahafahan’ireo olom-pirenena tsy mbola tafiditra anaty lisitra misoratra anarana.
Vita ny sabotsy 10 Jona 2023 teo ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy teny amin’ireo rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny distrika, na ilay antsoina hoe “CED”. Teny Atsimondrano no nanamarihan’ny delegasiona avy amin’ny Ceni foibe izany. Ity distrika ity izay ahitana mpifidy voasoratra anarana betsaka indrindra manerana ny Nosy, izay nahitana mpifidy 326 040. Ho fanajana ny andininy faha-22 sy 23 ao amin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka eto Madagasikara, 2018-008 tamin’ny 11 mey, izay milaza fa ny olom-pirenena dia manan-jo manara-maso ny lisitra izay nanaovana famaranana, dia ho averina eny amin’ny Fokontany ny lisitra aorian’ny fandalovan’ny lisitra eny amin’ny Ceni foibe. “Tsy maintsy averina eny anivon’ny fokontany ny lisitra ahafahan’ny olom-pirenena manao ny fanamarihana na fanamarinana”, hoy ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène Andrianarisedo. 20 andro no ananan’ny olom-pirenena hanaovana ireo asa fanamarinana sy fanamarihana ireo, ary koa ny fisoratana anarana ho an’izay mbola tsy nahavita izany kanefa feno taona. Notsindriany fa ny hahatafiditra ny olom-pirenena rehetra ao anatin’ny lisitra no tanjona, ka ho afaka hisitraka ny zo hifidy. Nambarany, araka izany fa tsy mifanipaka amin’ny lalàna ireo dingana narahina ireo.
Tamin’io sabotsy io ihany koa no namalian’ny Filohan’ny Ceni ireo tsikera nentina antoko politika miisa dimy tamin’ny alalan’ny fanambarana nivoaka ny herinandro lasa teo. Notsindriany fa tsy maintsy misy ny fifidianana amin’ity taona ity. Mahakasika ireo hevitra navoitran’ireo Antoko Politika tao anatin’ny fanambarana kosa, dia nolazain’ny Filohan’ny Ceni fa tsy izy ireo velively no voaenjika ao anatin’ireny fa ireo olom-pirenena mbola tokony hisitraka ny zony kanefa sakanana tsy hiditra anaty lisitra. “Ny fombafomba rehetra nentin’ny Ceni nanao ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy dia tao anatin’ny fanajana tanteraka ny lalàna, ny lalàmpanorenana, ny lalàmpifidianana, ary ireo Didim-panjakana sy didy iraisampirenena isan-tsokajiny. Tsy mitombina noho izany ny filazana fa tsy manara-dalàna ny Ceni”, hoy hatrany ny Filohany.




