Non classé

FANDRAISANA AN-TANANA NY COVID-19: Hisokatra manomboka rahampitso ny CTC-19 Alarobia

Nohamafisina ny fahafaha-mandray an-tanana ireo mararin’ny Coronavirus, araka ny fanazavan’ny Filoham-pirenena ny sabotsy teo. Noho izany, tsy maintsy nisy ny fandaminana teo amin’ireo hopitaly sy ny tobim-pahasalamana. Tapaka àry fa ny CSB no mandray ny “formes légères”, na ireo tranga tsotra tsy maneho fahasarotana. Ny CTC-19 kosa no mandray ireo “formes modérées”, izany hoe ireo manomboka mihasempotra ka heverin’ny mpitsabo fa afaka mbola ampiasana ny “concentrateurs d’oxygène”. Tafiditra ao anatin’ireo handray ny “formes modérées”, araka izany, ny CTC-19 Village Voara, Mahamasina, ary ny eny Ivato. “Noho ny hamaroan’ny marary ankehitriny dia hosokafana amin’ny alarobia 07 aprily ho avy izao ny CTC-19 ao amin’ny Lisea Teknika Alarobia”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny Sabotsy teo. Eo anatrehan’izany, ireo hopitalim-panjakana rehetra kosa, ao anatin’izany ny Hopitaly manarapenitra, no mandray ny “formes graves”, na ireo marary anaty fahasemporana be, ary misy fahasarotana ka mila harahi-maso akaiky.

“Bouteille d’oxygène” miisa 800

Tamin’ny fandaharana izay nataony, ny faran’ny herinandro teo koa no nanambaran’ny Filoha, fa niteraka tsy fahampian’ny “oxygène” teto amintsika ny fitrangan’ny Covid-19 avy atsy Afrika Atsimo izay mahery vaika kokoa eo amin’ny vatan’ny marary ary miroso aingana any amin’ny “formes graves”. “Izay vao nisy filàna oxygène betsaka toy izao teto amintsika”, hoy ny Filoha. Noho izany, nandray fepetra manokana ny Fitondram-panjakana nanampy “bouteilles d’oxygène” 800 raha toa ka 600 no ilain’ny hopitaly manerana ny Nosy. Notsindrian’ny Filoha, araka izany, fa tsy tokony hisy intsony ny tsy fahampiana oxygène manomboka izao.

Fermer