Songadim-baovaoToekarena

FANDRAISANA IREO FIVORIAN’NY SADC : Manolo-tanana ny lafiny haitao ara-kajy mirindra ny Mpiara-miombona antoka

Ankatoky ny fanombohan’ireo fivoriana mialoha ny andiany faha-45 amin’ny fihaonana an-tampon-n’ny SADC (Vondrona ho Fampandrosoana ny Faritra atsimon’i Afrika) isika ankehitriny. Eo am-pamaranana ny fikarakara, ny lamina sy ny andrana rehetra ireo tompon’andraikitra amin’izao fotoana, raha ny tatitra nataon’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rasata Rafaravavitafika omaly. Raha ny fandaharam-potoana dia manomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao no hanatanterahana ireo fivoriana maromaro mifandraika amin’ny fandraisantsika ny SADC. Toerana maro ihany koa no hanatanterahana ireo fivoriana ireo ka anisan’izany ny eny amin’ny CCI Ivato. Misy ihany koa fihaonana ho an’ny daholobe sy ny mpanao gazety ary ny sehatra ho an’ny anjerimanontolo. Mandritra izany no hampahafantarana amin’ny olom-pirenena rehetra eto Madagasikara ny mahakasika izany fihaonana an-tampon’ny SADC izany sy ny tena antom-pisian’io vondrona io. Maro, araka izany, ireo vahiny handrasana mandritra ireo fivoriana samihafa ireo. Raha ny fihaonana amin’ny daholobe, ohatra, dia olona 400 hatramin’ny 600 isa no handrasana amin’izany. 350 hatramin’ny 450 kosa no isan’ny mpizaika handrasana amin’ireo fivoriana handraisana fanapahan-kevitra. Tsy hadinoina ireo mpanao gazety iraisam-pirenena sy avy aty amin’ny faritr’i Afrika izay ho avy eto, hampita ny vaovao.

Hifandrombonan’ny Fitondram-panjakana iray manontolo, araka izany, ny fiomanana rehetra ao anatin’ny fandraisana ireo fivoriana ireo. Fa ankoatra ny Fanjakana dia mifanolo-tanana ao anatin’ireo fanomanana ireo ihany koa ny sehatra tsy miankina. Anisan’izany ny tambazotram-pifandraisana Yas Madagasikara. Ity farany izay hita any amina firenena miisa 6 mpikambana ao amin’ny SADC. Vita omaly, noho izany, ny fifanaovan-tsonia ho mariky ny fiaraha-miasa eo amin’ny Yas Madagasikara sy ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny sy ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra. Vontoatin’izany fiaraha-miasa izany ny hiantohan’ny Yas ny lafiny fikirakirana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny teknika mifandraika amin’izany mandritra ireo fotoan-dehibe samihafa. Izany hoe ny Yas no hiantoka ny fampitana ireo fotoan-dehibe rehetra mandritra ny fivoriana, amin’ny alalan’ny “fibre optique”, izay hita amina ivontoerana maromaro toy ny eny amin’ny CCI Ivato, eny amin’ny Oniversiten’Ankatso, Radisson, Novotel, Iavoloha, TVM sy ny toerana hafa. Tsy atao ambanin-javatra io lafiny fikirakirana aterineto io satria iray amin’ireo antoky ny fahombiazana sy maha matihanina ny fihaonana an-tampony eto Madagasikara. “Ankasitrahana noho izany ny fiaraha-mientana hasehon’ny Yas, ny fanohanana ny fampitaovana sy ny fampitana amin’ny alalan’ny aterineto mandritra ireo fivoriana rehetra izay hitranga ao anatin’izany SADC izany”, hoy ny teny fankasitrahana avy amin’ny Minisitra Rasata Rafaravavitafika.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer