PolitikaSongadim-baovao
FANDRAISANA NY FIHAONANA AN-TAMPON’NY COI: Ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana hiasa eto an-drenivohitra
Higadona afaka andro vitsy, ny fotoana handraisan’i Madagasikara ity fihaonana an-tambon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana na ny COI, hotanterahina eto Madagasikara. Efa ao anatin’ny asa mifanaraka amin’izany avokoa ireo tomponandraikitra voakasika ankehitriny. Efa miasa tanteraka ny angom-baovao eo anivon’ny Emmo/Nat, mba ho fisorohana ny mety ho fandikan-dalàna ataon’ireo sasantsasany. Nambaran’ny Jly Ravoavy Zafisambatra, Tale misahana ny filaminana sy ny angom-baovao eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena omaly, fa « hampitomboana ny isan’ny mpitandro filaminana hiasa eto an-drenivohitra mandritra ny fandraisana ny Fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana na ny « COI » andiany fahadimy, izay hotanterahina eto Madagasikara, ny 24 aprily izao ». Tsy maintsy handraisana fepetra ireo trangana fandikan-dalàna rehetra misy, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy maintsy misy ny fepetra samihafa horaisina, indrindra amin’ireo toerana hanatanterahana ny fihaonana. Ny toerana hipetrahan’ireo mpandray anjara, sy ny toerana andehanany.
Manodidina ny 500 ireo mpandray anjara
Vinavinaina ho eo amin’ny 500 eo ireo mpandray anjara mandritra ny fihaonana, izay ahitana Filoham-panjakana efatra sy Praiminisitra iray. Ankoatra ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana, dia hisy koa ny fitsidihana ofisialy, izay hotanterahin’ny Filoha Emanuel Macron, Filoha frantsay eto amintsika, izay hiresahana ny fiarahamiasa eo amin’ny Firenena roa tonta. Hahatratra hatrany amin’ny 200 mahery ireo delegasionina frantsay hoavy eto Madagasikara, raha ny fanazavana. Ampolony maro kosa, ho an’ireo Nosy rahavavy maro samihafa. Tsy ny eto an-drenivohitra ihany anefa no hanamafisina koa ny fahalemana, fa any amin’ny faritra. Ny antony, satria i Madagasikara no mandray ny hetsika fa tsy Antananarivo irery ihany, raha ny fanazavan’ny Jly Ravoavy Zafisambatra, Tale misahana ny filaminana sy ny angom-baovao. Nasongadiny hatrany fa tsy maintsy hisy kosa, ny fanelingelenana eo amin’ny fifamoivoizana mandritra ny fotoana hiatrehan’i Madagasikara ireo hetsika roa lehibe ireo. Tsy haharitra anefa izany, fa mety ho ao anatin’ny fotoana fohy fotsiny ihany. Ny rehetra no miantoka izay filaminana izay, ary niantsoany ny rehetra hanaraka antsakany sy andavany ny toromarika izay homen’ireo tomponandraikitra.
Rado H.




